Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Marsa, 2016

Tantara mikasika ny Fampandrosoana tamin'ny Marsa, 2016

17 Marsa 2016

Amazonie extrême : Afo sy Tondradrano Misy Fiantraikany Amin'ny Fahasalaman'ny Daholobe

Manome vàhana ny faharatsian'ny aretin'ny taovampisefoana ny haintany, ary ireo afindran'ny bibikely, bemangovitra sy tazo, dia ateraky ny fahalotoan'ny rano mandritry ny orambe mivatravatra sy ny tondrandrano.

16 Marsa 2016

Amazonie extrême : Feno Fasika Sy Maty Noho Ny Jono Tafahoatra Ny Rio Tapajós

Vokatry ny fiakaran'ny hafanàna dia mamono ny trondro ny haintany, ary ireo sambo mpanao jono indostrialy no mamàrana ny fanimbàna ny fiainana ao amin'ilay ony.

15 Marsa 2016

Mahitsy Be Ilay Mpiasan'ny Firenena Mikambana Tamin'ny Fanombanany an'i Hongria

Nasongadin'ny Mpampaka-teny manokan'ny Firenena Mikambana, Michel Forst, ny toe-javatra mahakivy atrehan'ireo mpiaro zon'olombelona any Hongria rehefa vita ny fitsidihana sivy andro nataony.

13 Marsa 2016

Miverina An-Dalambe Indray Ny Hetsika Libaney “Maimbo Ianareo”

Valo volana taorian'ny nidinana an-dalambe hanoherana ny fitombon'ny fako misavovona ao Libanona, tsy mbola mivaha ihany ny olana. Niverina an-dalambe indray ireo mpanao hetsipanoherana androany 12 Martsa.

09 Marsa 2016

Ravàna na Tsia, Mila Asa be Ny Lapa Manatantara ‘Mille Fleurs’ ao Trinite & Tobago

Ao anatin'ny fitontongan'ny toekarena, Mampanantena hitady vola hanavaozana tranobe manatantara indrindra ny governemantan'i Trinite sy Tobago ka miadi-hevitra ny olom-pirenena raha tokony ho laharam-pahamehana ireo lova (tranobe) ireo.

07 Marsa 2016

Amazonie extrême : Fizahantany Handresena Haintany

Afaka manatsara ny kalitaom-piainana ny fizahantany, saingy tsy ny tanàna rehetra ao amin'ny lemak'i Tapajós no hànana izay fitaovana ananan'i Jamaraquà.

04 Marsa 2016

Tsy Misy Firenena Ho An'ireo Ankizy Tsy Manana Ray ao Bhutan

Ny lalàna henjana ao Bhutan momba ny zompirenena, dia tsy nanao zavatra betsaka hanosehana ny fiadanana amin'izao androntsika izao, satria noho ireo lalàna maro ao Bhutan dia an'arivony maro ireo ankizy Nepale nilaozan'ny rainy no nanjary olona tsy manana firenena niaviana.

02 Marsa 2016

Andro Iraisampirenena Ho An'ny Mpitsindroka: Ho An'ny Fanodinana Indray Ao Amerika Latina

Ny 1 Martsa, omen'ireny mpiasa ireny lanja ny toerana misy azy ary ny filàna politika ho an'ny fifandrimbonana amin'ny fitantanana ny fako sy fiarovana ireo mpisehatra fototra amin'izy io.