Tantara mikasika ny Fampandrosoana tamin'ny Febroary, 2014
21 Febroary: Andron'ny Tenin-dReny #imld14 #malagasy #madagasikara
[...] Tsy afeniko Fa 'lay tenin-drazako, lay teniko Asa lahy! Tonga nahamenatra ahy, Tsy antonona ny lazako Ny tenin-drazako Ka nafoiko Fa ny tsy ahy no hamboiko Dia hoy aho : Teny maty, Tsy mahalaza ny ato anaty! Teny ambany 'Zany teny gasy izany [...]
Andro Iraisampirenena Ho An'ny Angona Misokatra, Hatao Ny 22 Febroary
Amin'ny 22 Febroary, hifamory ho an'ny Andro Iraisampirenena ho an'ny Angona Misokatra ireo bilaogera, hackers sy olona hafa liana amin'ny resaka Angona Misokatra sy ny Mangarahara. Jereo ato ny fomba hahafahanao mirotsaka amin'izany
Niverina Tao An-drenivohitr'i Kambodza Ny Fiaram-pitaterana Iombonana
Eo am-panandramana ny fampiasana fiara iombonana i Phnom Penh mba handresena lahatra ireo mponina mpandeha moto taxi hampiasa fiaram-pitateram-bahoaka. Tamin'ny taona 2001 no napetraka voalohany tao an-drenivohitra ny fiara iombonana saingy tsy nahomby izany
Mali : Tohanana Ny Zon'Ireo Tanora Hianatra
Misedra olana maro ny rafi-pampianarana any Mali , nefa mivondrona ireo mpitolona mafana fo mba hiady amin'izany.
Ireo Ankizy Mpanakanto Ao Amin'ny Tobim-pialokalofana “Colors from the Zaatari”
Nampiseho ny maha-mpanakanto azy ireo ankizy Syriana ao amin'ny tobim-pialokalofana any Zaatari any amin'ny sisin-tany iraisan'i Syria sy Jordania, hoy ny Syria Untold.
Ady Amin'ny Kolikoly : Kaomoro, Kamerona Ary Madagasikara
Kaomaoro, Kamerona ary Madagasikara, ireo foana no ratsy toerana amin'ny filaharana avoakan'ny Transparency International isan-taona . Tolo-kevitra
Olon'ny Tantara An-Tsary ‘Meena’ Nanova Ny Fomba Fijery ny Zazavavy Tao Azia Atsimo
"Hatramin'ny nanombohany 14 taona lasa izay dia nasehony tamin'ny zazavavy an-tapitrisany maro ny zavatra azo tontosaina hatramin'ny farany. "
Endrik'ireo Olona Niharan'ny Tsunami Tamin'ny Taona 2004 Tany Amin'ny Ranomasimbe Indiana
Japoney mpikaroka no namoaka ny tahiry nomerika iray mikasika ny fizotran'ny asa fanarenana ny iray amin'ireo faritra voakasiky ny tsunami mafy indrindra tamin'ny taona 2004, fanarenana ny faritany indoneziana Aceh.