Tantara mikasika ny Fampandrosoana tamin'ny Oktobra, 2013
‘Chayn’, Vohikala Vaovao ho an'ireo Iharan'ny Herisetra An-tokatrano any Pakistana
Miezaka hanampy ireo vehivavy any Pakistana ny vohikala iray tarihanà vondrom-bahoaka mpirotsaka an-tsitrapo, izay manodidina ny 70-80 isanjaton'ny vehivavy no iharan'ny endrikà herisetra an-tokatrano.
Tafatafa Niarahana Tamin'ilay Tompon-dakan'ny Ady Totohondry Tao Ginea Lasa Belza Mpanao Politika
Tsy moramora mihitsy ny fampivadiana ny tontolon'ny fanatanjahantena avo lenta sy ny poliika. Mbola sarotra kokoa noho izany rehefa firenena roa samy hafa no voakasika. Manazava ny zotrany mendrika ho deraina i Bea Diallo.
90 % -n'i Madagasikara No Tsy Mandray Afa-tsy 2 Dolara Isanandro. Fa Nahoana?
Ity fizarana ity dia hiresaka ny fitontonganan'ny fiainana sosialy sy ara-toekaren'i Madagasikara ary ireo vahaolana tokony hosaintsainina.
Tambajotra Fanaraha-Maso Ny Fandotoan-dRivotra Ao Shina: Kely Loatra, Tara Loatra?
Nidina tamin'i Beijing sy ny manodidina azy nandritra ny vakansy ny zavon-tsetroka matevina, ka nanery ny manampahefana Shinoa hamoaka ny rafitra fanaraha-maso ny fandoto [pollution]. Tsy faly ny mpiserasera.
Zaza iray Amin'ny Telo Maneran-tany No Tsy Manana Soram-piankohonana
Ny tsy fisian'ny kopia nahaterahana dia mety midika fa ny zaza dia tsy afaka hisoratra anarana any an-tsekoly na mahazo fitsaboana. Tafatafa niaraka tamin'i Evelina Martelli, lehibe mpitantana ny BRAVO!, tetikasa mamporisika ny fanaovana kopia nahaterahana.
Manao Diabe An-jatony Kilometatra Ireo Mpanohitra Hamonjena Ireo Sundarbans Amin'ny Tobin'herinaratra Ahodin'ny Arintany
14 km fotsiny miala an'ireo Sundarbans, ilay alanà honko lehibe indrindra eran-tany sady toerana isan'ireo Lovan'izao Tontolo Izao arovan'ny UNESCO, io tobin'herinaratra mandeha amin'ny arintany kasaina hatao io.
Vesatry Ny Fanaovana Politika, Fanazavana Ny Fifidianana Any Kamerona
Maro amin'ireo mpilatsaka ho fidiana ho Solombavam-bahoaka sy Mpanolotsaina Monisipaly Kamerone no tsy manana fandaharan'asa mazava tsara araka ny fitantaran'ireo mpifidy izay ao miaina anatin'ireo olana ireo.