Tantara mikasika ny Fampandrosoana tamin'ny Septambra, 2017
Trinite Sy Tobago: Voleo Indray Ny Tany
Mpandray anjara mavitrika sy mafana fo tao amin'ny hetsi-panoherana manohitra ny fanorenana ny orinasa fandrendrehana viraty ao amin'ny vondrom-piarahamonina iray any atsimon'i Trinidad i Attillah Springer. Indro, avy ao amin'ny pejiny Flickr , ny sary iray nalaina nandritra ny fanatanterahana ny fambolen-kazo iray natao tany amin'ny faritra tamin'ny volana Jona:
Trinite Sy Tobago: “Mijoroa. . Ho An'ny Zavatra Iray”
Mihevitra aho fa nety tsara tamin'ny fotoana nanolorana azy ity lahatsary novolavolain'ilay mpanakanton'ny fampitam-baovao Trinidadiana Elspeth Duncan ity tamin'ny andro nanambarana ny tetibolam-panjakana taona 2007 an'i Trinite sy Tobago izay mety ahitana ny sosokevitra rehetra momba ny fanovana ny fiainana araka ny resaky ny olona eny an-dalambe.
Mampifanohy ny Elanelana Ara-teknolojia Eto Afrika
Nisarika ny saiko vao haingana ny tetikasa miisa roa samihafa natao hampifandraisana ny "elanelana nomerika" eto Afrika. Nieritreritra ny hanasongadina fotsiny ihany ny tetikasa miaraka amin'ny famintinana fohy sy ny rohy mankany amin'ny tranonkalany aho.
Ny Tanànakely Shinoa Ao Grenada
Sarin'ny fotodrafitrasa atsangana miaraka amin'ny famatsiam-bola, ny fahaiza-manao ary ny herin'ny mpiasa avy amin'ny Repoblika Entim-Bazhoakan'i Shina... ary hamantarana ihany koa ny fomban'ny Shinoa
Ny Fifamoivoizana Any Vietnam
Mety ho nofy ratsy ho an'ny sambany mitsidika an'i Vietnam ny fifamoivoizana. Na mino izany ianao na tsia, manana ny lalànany ny fitaterana kanefa tsy liana amin'ny fanarahana azy ireo ny olona. Efa mahazatra ny mahita ireo olona telo na efatra mitaingina moto iray.
Manapariaka Ny Bilaogy Aty Afrika Amin'ny Alàlan'ny Onjampeo
Mety miahiahy angamba ny mpihaino sasany - "be pitsony loatra ny famahanana bilaogy ... aiza ny fahafahana hifandraisana, mbola lafo vidy ny aterineto, " izany no fanehoan-kevitry ny mpihaino iray - kanefa mampiseho ny fandaharan'ny Onjampeo BBC World Tambajotra Afrika fa zava-misy ary anisan'ny miroborobo ny famahanana bilaogy eto Afrika .
Ny Fiainana (Virtoalin'ny) Toniam-Paritra
Mandefa ny rakipeo momba ny asany antserasera ny toniam-paritra GVO any Azia Atsimo.
Etazonia: Manahy Amin'ny Fifandraisan'i Armenia Sy Iràna
Na any aminà “firenena kely” iray aza, mba te-hiaina finaritra ny olona, saingy noho ireo tsindry iraisam-pirenena rehetra mianjady ....tsy misy azontsika atao, afa-tsy ny mijery ny firenentsika hozongozonina miankavia miankavanana... raha tsy hoe misy zavatra tokony hatao angaha?
Afrika: Ireo “Lalomena” Ao Anatin'ny Sehatry ny Maha-Olona
...ny andian-taranaka leoparda dia ireo tanora....mpanavotra an'i Afrika, izay tsy hiandry ny fanjakàna sy ireo ONG hanao zavatra ho azy ireo. Ny andian-taranaky ny lalomena dia ireo mpitarika politika ankehitriny sy ireo mpandraharaha izay tena faly ny mifetafeta ao anatin'ny honahonan'izy mianakavy, ary mitaraina momba ny fanjanahana sy ny fahantràna saingy tsy manao na inona na inona"
Kambodza : Meteza Ho Voalohany Amin'ny Fitantaràna
Andraso... Tsy ilay oniversite Harvard malaza be ity fa ny sekoly ambarataonga faharoa Hard Word. Tena tsy fantatro ny antony nanaovany ny anarana hoe "Hard Word".