Tantara mikasika ny Fampandrosoana tamin'ny Oktobra, 2018
Mandà ny Hijery ilay Tanàna-Zaridaina ao India Hivadika Fitoeram-pako ireo Olompirenena
Aleon'ny mponina mitady fomba vaovao hamahana ny olana eo amin'ny habetsaky ny fako vokarin'ny tanàna toy izay hanebaka ny ezaka ataon'ireo manampahefana hifehezana ny olan'i Bangalore eo amin'ny fandrindrana ny fako.
Manangon-bola Hanaovana Horonantsary Fanadihadiana ilay ‘Ôrkesitra Voahodina’ ireo Mpamokatra Horonantsary
Miaina voahodidina fako ireo ankizy ao Cateura, tanàna mahantra ivelan'i Asunción, Paragoay. Aminà toerana izay mahalafo ny lokanga mihoatra nóho ny trano iray, manova ny fiainan'ireo ankizy ireo ilay mpiangaly mozika, Fabio Chavez, amin'ny fampianarana azy ireo hitendry mozika miaraka aminà zavamaneno vita avy amin'ny fako.
Shina: Mametraka an-tsarintany ireo fandroahana mahery vaika mba hampatsiarovan-tena ireo mpividy trano
Taterina ary resahina be amin'ny aterineto ireo fandroahana mahery setra maro any Shina sy ireo traboina mahatsiravina aterany, fa inona no azo lazaina mikasika ilay trano amidy rehefa voadio ireo poti-bato sy ny momba ireo olona mividy izany?
Fitetezana Blaogy Libiana: 26 Oktobra- Ny Andro Mainty sy ny Filankevitry ny Filaminana
Nahoana no antsoina hoe ''Andro Fisaonana'' na ''Andro Mainty'' ny 26 Oktobra any Libia ary ahoana no hankalazana ny fahatsiarovana izany? Ao anatin'ity lahatsoratra nosoratan'i Fozia Mohamed ity no milaza amintsika bebe kokoa mikasika izany tranga izany ireo blaogera Libiana.
Afrika : Ry Mpanjaka, aza mampiaka-bady intsony ianao!
Ry Mpanjaka, aza mampiaka-bady intsony ianao! ..Lazaina fa "ny mpanjaka irery ihany no hany afaka manova ny fomba fanao"..Mila mikarakara ny vahoakany ny mpanjaka alohan'ny hikarakarany ireo vehivaviny (vadiny) !
Manasongadina ireo tolona sy fandresen'ny teratany ao Papua, Indonezia ny sarimihetsika tsy miankina vaovao iray

Manazava ireo ''olan'ny vahoaka teratany ao Papua amin'ny alalan'ny horonantsary fanadihadiana ary koa hanangana fanentanana ho an'ny daholobe mikasika ireo olana lehibe miantraika amin'izy ireo'' ilay fetiben'ny sarimihetsika.
Vaovao misimisy kokoa momba ny fihaonambe “iSummit Dubrovnik 2007″
Fomba iray mahaliana hamondronana vaovao vaovao sy maharaka izay lazaina amin'ireo lohahevi-dehibe, toy ny hoavin'ny "Commons", ireo "vondrom-piarahamonina", ary ny fomba fampitana izany ho an'ireo izay manandanja izany hoavy izany, dia hoan'ny ny kilonga izany, ny famahanana bilaogy mivantana ny Fihaonambe "iCommons iSummit".
Armenia: Straight mankany an-tanàna
(2012) Miaraka amin'ny tahan'ny Harinkarena faobe isan-taona izay tombanana ho $5,400 eo fotsiny tamin'ny 2011, iray amin'ireo firenena mahantra indrindra tao amin'ny Firaisana Sovietika taloha i Armenia. Tena azo tsapaintànana ny toedraharaha ho an'ireo tanàna ao amin'ilay firenena lavitra andriana, fa manantena ny hanova izany rehetra izany ny diplaomaty iray.
Koety: Tonga Amin'ny Fomba Ofisialy Ny Fahavaratra
Nanomboka tamin'ny fomba ofisialy ny fahavaratra ao Koety ary miady hevitra mikasika ireo toerana tsara handosirana ny hafanana ireo blaogera. Tsaratsara kokoa ve ny mitady paradisa voaaro mba hitoniana any an-trano na mandeha any am-pitandranomasina ary mety ho tratran'ny orana sy ny alahelo? Vakio ny famintinana ireo blaogy kowetiana nataon'i Abdullatif Al Omar mba hahafantarana izany.
Fanavaozana mikasika ny kaonferansa “We Media”
Lahatsoratra tselika kely avy any Londres mba hampahafantarana anao fa handray anjara amin'ny resaka skype sy amin'ny IRC sehatra fifanakalozan-kevitra amin'ny aterineto miaraka amin'ny vondrom-piarahamonina Global Voices ny iray amin'ireo mpandahateny aty, i Nitin Desai .