Tantara mikasika ny Fampandrosoana tamin'ny Novambra, 2014
Herin'ny Masoandro Isan-Tokantrano Mamarana ny ‘Fanavakavahana Ara-Kerinaratra’ ao Bangladesh
Tsy mba manana herinjiro ny 45%-n'ny ao Bangladesh—izay monina any ambanivohitra ny ankamaroany. Nampiova izany fitongilanan'ny mizana izany ny Tetikasa Masoandro Isam-Baravarana.
Ry Mpitia ny Maritranon'i Myanmar, Ataovy Afa-Po Amin'ireto Sary avy any Yangon ireto ny Masonao
Ataovy izay hahafa-po ny masonao amin'ny fahitana ny sarin'ny "harem-bakoka ara-maritranon'i" Myanmar, hita ao Yangon, renivohitry ny firenena teo aloha, ireto.
Favelan'i Rio de Janeiro Jerena Amin'ny Fakantsary Kapoakan'ny Tanora Mponina ao An-toerana
Ny tetikasa "Mão na Lata" (Tanana eo amin'ny kapoaka) dia tetikasa manaika ny tanora avy ao amin'ny Complexo da Maré handrakitra an-tahirinkevitra ny fiainana andavanandron'izy ireo amin'ny alalan'ny fakantsary kapoaka vita amin'ny boatin-dronono vovony. Manao ahoana ny sary vitany?
Vokatra Landihazo ao Ouzbékistan : Volamena Fotsy Mampanankarena Ny Fitondrana Fa Tsy Ny Vahoaka
Fantatra amin'ny asa an-terivozona ary indrindra ny fampiasana ankizy i Ouzbékistan. Tafiditra amin'izany ny asa fiotazana landihazo izay ny filoha no mahazo tombony be indrindra amin'izany.
Google Bus Mitondra Fahaizana Aterineto Hoan'ireo Mpianatra Antsasa-Tapitrisa Ao Bangladesh
"Mahafinaritra fotsiny izy :) zava-baovao amiko ilay izy saingy tena faly tanteraka aho. Mino aho fa hiparitaka atsy ho atsy sy halaza ao Bangladesh izany…hoy ny mpisera Twitter iray miresaka ny tetikasa google bus.
Sambany Nankalaza Ny Diabem-pireharehana ny Hijras, Mpanova Taovam-pananahana ao Bangladesh
Nahazo fankatoavana avy amin'ny governemanta ho olona manana taovam-panahanana miavaka ny fiarahamonina Hijra Bangladesh tamin'ny taon-dasa, nankalaza ny tsingerintaona voalohan'izany izy ireo tamin'ny alalan'ny diabem-pireharehana maroloko araka ny hita amin'ireto sombin-tsary ireto.
Mamadika Ny Diky Ho Fidiram-bola
Nikarakara karajia tao amin'ny Twitter tamin'ny alalan'ny diezy #WasteOpportunities ny Clean Team Ghana mba hiresahana momba ny fomba fampiasana indray ny diky ho fidiram-bola.
Maninona i Madagasikara No Tafalatsaka Indray Anatin'ny Haizina?
Ireo fandisoam-panantenan'ny orinasa mpamokatra herinaratra any Madagasikara araka ny fahitan'ireo Malagasy mpampiasa aterineto.