Tantara mikasika ny Fampandrosoana tamin'ny Aogositra, 2011
Miasa miaraka Amin'ny Ashoka ny Global Voices Amin'ny Fifaninanana Fampitam-baovao an'olotsotra
Voninahitra ho an'ny Global Voices ny miasa miaraka amin'ny mpanova Ashoka amin'ny ‘Fifaninanana fampivoarana ny fitaovan-tseraseran'olo-tsotra' iarahana amin'ny Google. Mpandresy efatra no hahazo loka 5.000 dolara amerikana avy amin'ny tetikasan'olo-tsotra mampita vaovao manao izay hahatonga ny tany ho toerana tsara kokoa.
Madagasikara: Sazy Mitondra Mankamin'ny Fitontonganan'ny Toe-karena Sy Tsy Fanjarian-Tsakafo
Tato anatin'ny taona vitsy dia niaina fitontonganana misoko mangina ny toe-karen'i Madagasikara, izay efa marefo rahateo, miantraika mafy amin'ny fiainan'ireo vahoaka Malagasy an-tapitrisany izany. Miaraka aminà toe-karena voakilasy ho ratsy indrindra eran-tany sy ny fanjarian-tsakafo misoko mangina, mireaka ny antom-pisiana sy ny fiantraikan'ny sazy iraisam-pirenena ny vahoaka Malagasy.
Shina: Hetsika lehibe manohitra fananganana orinasa mpamokatra akora shimika any Dalian
Nivadika ho filaharambe nitety ny tanàna ny fivoriana tao afovoan-tanànan'i Dalian, faritanin'i Liaoning, ho fanoherana fananganana orinasa mpanao fanafody ny alahady maraina. Nivoaka tamin'ny heriny manontolo ny polisy, saingy mba tahaka izany ihany koa ny mpamaham-bolongana bitika.
Mpitoraka Bilaogy Ao Amin'ny Global Voices Manoro Hevitra Ireo Tanora Mafàna Fo Avy Aminà Firenena Miisa 10
Anio dia ambaranay ny anaran'ireo mpitoraka bilaogy miisa 10 ao amin'ny Global Voices sy ireo "Activista" miisa 11 izay hiara-hiasa amin'ny alalan'ny aterineto mandritry ny volana ho avy rehetra. Izy io dia ampahany amin'ny eritreritra vaovao ho fanoroana hevitra izay novokarin'ny Global Voices sy ny Activista, tambajotran'ny tanora ao amin'ny fikambanana iraisam-pirenena mikatsaka ny fandrosoana, ActionAid.
Maneran-tany: Zarao Amin'izao Tontolo Izao ny Fiainanao Ny 11-11-11
Inona no hataonao amin'ny 11 Novambra 2011? Zarao amin'izao tontolo izao izany amin'ny alalan'ny 11Eleven Project ary manampia amin'ny fanatontosana ireo Tanjon'ny Firenena Mikambana ho Fampivoarana ny Taonarivo!
Balkana: Ambonin'ny Antsasaky ny Mponina no Mampiasa ny Aterineto
Nitatitra momba ireo vokatry ny fandalinana ny fampiasana ny Aterineto any amin'ny faritr'i Balkana i Danica Radovanovic.