· Avrily, 2018

Tantara mikasika ny Fampandrosoana tamin'ny Avrily, 2018

Olona an'arivony no mety ho very asa sy voafindra toerana noho ny drafitry ny governemantan'i Filipina hanakatona ny nosy toeram-pialasasatra Boracay

Manao fanentanana ny mponina ao Boracay ao afovoan'i Filipina, ao amin'ny faritanin'i Aklan mba hanohitra ny drafitry ny governemanta  hanakatona sy "hanavao" ara-tontolo iainana ny toeram-pialasasatra malaza manerantany ao amin'ny nosy mandritra ny enim-bolana, no sady eo am-panamboarana casino roa mandritra izany.

28 Avrily 2018

Nari Jibon: Ireo Vehivavy Blaogera sy ny Olan'ny Fanomezana Vodiondry Ao Bangladesh

Tamin'ity herinandro ity dia nijery ireo lahatsoratra mahaliana avy tao amin'ny vehivavy mpitoraka blaogy ao amin'ny Nari Jibon izahay. Niresaka mikasika ny fandrahonana amin'ny vodiondrim-panambadiana izy ireo, izay manasarotra ny fiainan'ireo fianakaviana mahantra, amin'ny fanerena ny ray aman-dreny hihevitra ireo zanaka vaviny ho toy ny enta-mavesatra. Ary koa, ny nofinofin'ny mpandray anjara iray tao amin'ny NJ ny ho lasa filoha sy hanova ny fiarahamonina ankehitriny ho mazava kokoa, hanam-pahaizana ary tsy hisy vodiondry haneren'ny fiarahamonina.

27 Avrily 2018

Rising Voices Any Sierra Leone Sy Bangladesh

Tamin'ity herinandro ity, dia nasongadinay ny fivoaran'ny roa amin'ireo tohanan'ny Rising Voices any Azia sy Afrika. Mpianatra asa ao amin'ny Think Build Change Salone any Siera Leone no manomboka manoratra ireo traikefany raha toa ka mifantoka amin'ny fanampiana lahatsary sy sary ao amin'ny kitapon'ny fahaizamanaony kosa ireo vehivavy ao amin'ny Nari Jibon.

26 Avrily 2018