· Desambra, 2018

Tantara mikasika ny Fampandrosoana tamin'ny Desambra, 2018

Serbia: Misafidy, na i Tadic na i Nikolic

Bilaogera Serba maro no manohana an'i Tadic sy ny fifandraisana akaiky kokoa eo amin'i Serbia sy ny Firaisambe Eoropeana, ary manohitra ny politika nasionalistan'i Nikolic. Ny sasany kosa anefa diso fanantenana amin'ny politikan'i Tadic nandritra ny fitondrany teo aloha ary mino fa nampahery ireo radikaly izany.

Arabia Saodita: Avy indray ny orana ao Jeddah

 Niharan'ny orambe indray ny tanàna seranan-tsambo Ranomasina Mena ao Jeddah, Arabia Saodita, mamerina indray ny tenifototra #Jeddahrain malaza ao amin'ny Twitter. Ireto manaraka ireto ny fanehoan-kevitr'ireo mpiondana aterineto, izay naneho ny fahatezerany tamin'ny kolikoly sy ny fahasimban'ny fotodrafitrasan'i Jeddah.

Kaokazy: Firaisankina ao anatin'ny fahasamihafana

  12 Desambra 2018

Amin'ireo ady telo tsy voavaha sy ny haino aman-jery ao an-toerana izay matetika maniva-tena, maneho hevitra momba ny tetikasa an-tserasera manantena ny hamotika ireo fitsarana an-tendrony  amin'ny fitaterana ireo ohatra avy amin'ny vondrona ara-poko miara-miaina milamina na ao anatin'ny fifandonana ao amin'ny faritra atsimon'i Kaokazy ny bilaogy

Ny Tsiambaratelon'i Ejipta an-dahatsary

Iray amin'ireo lahatsary manala ny saron'ireo tsiambaratelo sy marina mahatsiravina any Ejipta ny "Hideous", mampiseho ny fifanoherana eo amin'ny fiainan'ireo mpanana tsy mivaky loha sy ireo mahantrana eny an-dàlambe. Ny "To H.E Mrs Suzanne Mubarak" kosa mitatitra ny fanararaotana ankizy, ny herisetra ataon'ny mpitandro filaminana ary ny fahantrana lalina.