Tantara mikasika ny Fampandrosoana tamin'ny Jolay, 2019
Fiainana any Panghsang, tetezan-tany Shinoa any amin'ny faritr'i Wa any Myanmar
Na dia eo aza ny toerany misy azy anaty sisintanin'i Myanmar dia mety hihevitra ianao fa any Shina rehefa mandehandeha mitsangatsangana manodidina ny tanàna .
Niteraka fihetsiketsehana sy adihevitra ny fandraràna posiposy amin'ny làlan-dehibe any Dhaka, Bangladesh
Nahitana hetsi-panoherana mahery vaika avy amin'ireo mpitarika posy sy ireo mpisera aterineto sasany izay mampiasa ity fitaovam-pitaterana mahazatra ity ny fandraràna ny posiposy amin'ny lalan-dehibe telo ao Dhaka.
Shina: Rahonan'ny sivana aterineto Amerikana
Andro vitsy taorian'ny kabarin'ny Sekreteram-panjakana amerikana Hillary Clinton momba ny fahalalahan'ny aterineto, nosakanan'ny SourceForge.net (fitehirizana loharano kaody tovozona malalaka) ny fidirana amin'ny adiresy IP avy any Kiobà, Iran, Korea Avaratra, Sodana ary Syria.
Mampiseho ny fanaovan’ny governemanta antsirambina ny toeram-bakoka any Bangladesh ny fandravana ny tranobe tranainy efa 150 taona
"Nanana endrika niavaka izay tsy fahita firy amin’ireo tranobe hafa hita any amin’ireo faritra tranainy ao Dhaka ny tranobe. Noho izany, nilaina ny fanarenana azy."
Milalao tsy araka ny fanjakazakan-dehilahy: maka ny ‘toerana natokana ho an'ny lehilahy’ ny tovovavy Miozolomana tamin'ny filalaovam-baolina
Raha maro ny olona no mihevitra fa hevitra nofinofy ny fitovian'ny lahy sy ny vavy eo amin'ny fanatanjahantena dia nisy ny hetsika mihamitombo izay nahitana ny vahoaka niroso tamin'ny firesahana sy ny famahana ny olana momba ny fanjakazakan-dehilahy.
Manao Antoka Ny Hoaviny i Japàna, Tiany Kokoa Ny Fandrosoana Miohatra amin'ny Tontolo Iainana
"Mety hilaza ny olona iray hoe ny fampidirana ny resaka tafika tao Japàna tany amin'ny fiandohan'ny vanimpotoana Showa no nanefy tsotra izao ny fahafoizantena nirehidrehitra ho amin'ireo fotokevitra momba ny firoboroboana ara-toekarena."
Asa tanana any am-ponja: manamboatra asa tanana “Made in prison” ireo vehivavy gadra any Albania
Tranonkala iray izay mivarotra vokatra namboarin'ireo vehivavy voafonja ao amin'ny fonjan'i Ali Demi ao Tirana, fonja tokana ho an'ireo vehivavy ao amin'ny firenena Balkana izay ahitana mponina 2,8 tapitrisa ny "Vita tany Am-ponja".