Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Oktobra, 2008

Tantara mikasika ny Fampandrosoana tamin'ny Oktobra, 2008

Afganistana:Fandriampahalemana …

  24 Oktobra 2008

Na dia voizina mafy indray aza amin’izao fotoana ny momba an’i Afganistana amin’ny fampahalalam-baovao any Etazonia, dia isan’izay raharaha goavana saro-bahàna ho an’ny firenena izy ity. Na tsy hiresaka izay hitan’i Azar Balkhi ho fahalemen’ny ‘Vondrona miara-dia’ mba hifehy ny fifanenjehana ara-poko ka niantsoany fanafihana an’habakabaka aza. Resaka tsy azo...

Botsoana: Mogae no nandray ny loka Mo Ibrahim

  23 Oktobra 2008

Natolotra  ny filohan'i Botsoana teo aloha ny loka Mo Ibrahim: “Mogae izany no faharoa nahazo ity loka  malaza fanome isan-taona ity. Ny loka Mo Ibrahim no loka lehibe indrindra manerantany ho an'olo-tokana. Ny loka fisantarana moa dia norombahin'ny filoha teo aloha Mozambikana Joachim Chisano tamin'ny herintaona.”

Afrika: ny lalàna 7-n'ny fihavaozana

  23 Oktobra 2008

White African no manoratra ny lalàna 7-n'ny fihavaozana nosoratan'i Ethan : “Namoaka sombin-dahatsoratra nahatalanjona iray hafa indray i Ethan Zuckerman. Tamin'ity indray mitoraka ity dia ny fitondrana zava-baovao eto Afrika no resahiny sy ny fomba nitondrana azy noho ny fahavitsian'ny akora ampiasaina.”

Ginea Bisao: Mihamalaza hatrany ny finday

  23 Oktobra 2008

Jorge Rosmaninho no manoratra ao amin'ny gazety antserasera mpiteny pôrtigey O Patifundio [pt] fa miroborobo fatratra ny finday any Ginea Bisao. “Tsy misy mpampianatra izay tsy mitaraina fa, isaky ny fanombohan'ny lesona, dia mandany folo minitra aloha ny mpianatra miady izay tokony hamahana herinaratra voalohany ny findainy amin'ny prizy (tsaidrianaratra)...

Nagorno Karabakh: Momba ny mariazy miara-mizotra

  21 Oktobra 2008

Pigh [RU] indray no miresadresaka ny mariazy notontosaina tamin'ny herinandro teo natao tao amin'ny Repoblika nanambara samirery ny fahaleovantenany dia i Nagorno Karabakh izany. Nolazain'ny bolongana fa 537 ny isan'ny mpivady vao tao amin'ilay tanàna miadin'i Shushi raha 138 ny isan'ny (mpifamofo) nifanao voady tao amin'ny monasiteran'ny Gandzasar. Nandray vola...

Madagasikara : Manahy izay mety ho fiantraikan'ny krizy Ekônômika ireo mpiblaogy

  18 Oktobra 2008

Raha tsy mitsaha-mitombo ny krizy, ireo kandida ho filoham-pirenena Amerikana roa lahy, ireo mpitondra Erôpeana sy lohandohany amin'ireo fikambanana iraisam-pirenena dia samy manambara fa voatery ahena ireo fanampiana iraisam-pirenena. Ireo firenena an-dalam-pandrosoana toa an'i Madagasikara izay mbola mianki-doha fatratra amin'ny fanampiana iraisam-pirenena dia manahy mafy satria manambana ireo ezaka izay...

Madagasikara: Angovon'ny masoandro ho an'ny hopitalin'ambanivohitra

  01 Oktobra 2008

Noel no mamaham-bolongana mombany fampiasana ny angovo avy amin'ny taratry ny masoandro ampiasaina any amin'ny toeram-pitsaboana (fampiterahana) any ambanivohitry Madagasikara: “Nomena ireny toeram-pitsaboana ireny ny angovo avy amin'ny masoandro efa-taona lasa izany ary dia nankasitraka tokoa ny mponina. Taloha moa raha hiteraka ny olona iray ka ahiana ho amin'ny alina...