Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Oktobra, 2016

Tantara mikasika ny Fampandrosoana tamin'ny Oktobra, 2016

25 Oktobra 2016

Sardinina Daholo Isika Amin'ny Tsenan'ny Fampialofana Ao Hong Kong

Ny Tetezana - The Bridge

Mihena ny faritra onenana ao Hong Kong raha midangana ny vidiny. Ity no valinteny iray amin'io toe-javatra tsy rariny io.

22 Oktobra 2016

Mizaka ny Vokatry Ny Fandaniana Tafahoatra Nataon'ny Governemanta Teo Aloha i Sri Lanka

Azo nampiasaina tamin'ny zavatra maro hafa ny volabe tsy toko tsy forohana nanafoanana fividianana fiaramanidina efatra .

15 Oktobra 2016

Zavatra 9 Itiavana an'i Afghanistan

Amin'ny mofo tsara indrindra eto ambonin'ny tany, ny voatavo sy ny ampongabendanitra, sy ireo mponina isan-karazany tia mandray vahiny, dia inona izany no tsy metimety ao amin-dry zareo ireo?

13 Oktobra 2016

Jamba, Manambady, ary Misara-panambadiana: Tantaran-Jazavavy Telo Ao India Amin'ny Andro Maoderina

Manamarika ny Andro Iraisam-pirenena Ho An'ny Zazavavy ny 11 Oktobra, izay manazava ny olana misy fiantraikany eo amin'ny zatovovavy manerana an'izao tontolo izao. Misy tantara vitsivitsy ireto notaterin'ny Video Volunteers, mampiseho ny fomba ataon'ireo ankizivavy ao India rehefa miatrika sy miady amin'ny olana isan-karazany mifandraika amin'ny lahy sy ny vavy.

12 Oktobra 2016

Firaisankinan'i Pôrtô Rikana, Namiratra ao Anatin'ny Fahatapahan-Jiro Manerana Ny Tangoro-Nosy

Fisedrana ady sarotra ny fahatapahan-jiro ho an'ny Pôrtôrikana, saingy nampivoaka ihany koa ny tsara indrindra tao amin'ny maro.

08 Oktobra 2016

Can Thi Thêu Vietnamiàna Mpikatroka Mafana Fo Miady Ho An'ny Fananantany, Niaritra Herisetra, Fisamborana Sy Fonja

"Hiaina aho amin'ny fomba izay hahitan-dry zareo fa tsy hampatahotra ny finiavanay hiady amin'ny herisetrany. Izahay mpanao fitakiana ny tany dia hifikitra amin'ny taninay hatramin'ny farany."

07 Oktobra 2016

Lehilahy Bangladeshita Mahalala Izany Hoe Hanoanana Ka Manome Sakafo Mora Vidy Ho An'ireo Ankizy Sahirana

"Nanomboka tetikasa mizara sakafo ho an'ireo ankizy sahirana ao Dhaka sy ny faritra hafa amin'ny vidiny iray taka Bangladesh monja (0.013 dolara Amerikana) ny fikambanana atao hoe Bidyananda.

02 Oktobra 2016

Fifangaroan'ny Poizina Fitrandrahana Tsy Ara-dalàna sy Kolikoly, Mandravarava Ny Ala Antitra Indrindran'i Eorôpa

Asehon'ilay horonantsary fanadihadiana “Clear Cut Crime” ny vokatra misy poizina ateraky ny fifanenàn'ny fikapàna ala tsy ara-dalàna sy ireo politisiana ao Romania sy Okraina.