Tantara mikasika ny Fampandrosoana tamin'ny Avrily, 2011
Gabon : Fiverenan'ny Fandraharahana Eo amin'ny Sehatry ny Solika sy ny Fampiasam-bola Indray
Ny Alatsinainy 8 Aprily, niverina niasa ireo mpiasan'nysehatry ny solika ao amin'ny (ONEP)ont repris le travail. Ny ONEP dia nanao fitokonana mba hisian'ny fepetra vaovao momba ny asan'ireo mpila ravinahitra eo amin'io sehatra io, izay «ampangain-dry zareo ho maka ny toerana tokony ho an'ireo Gabone ». Iadian-kevitra ankehitriny ny momba ny hitsinjaràna ny vola azo avy amin'ny solika ho an'ny faritra:
Fanadihadihana Mikasika ny Fampandrosoana an'i Afrika
Raha nanambara ny Banky Afrikana ho an'ny Fampandrosoana telo andro lasa izay fa nampidininy ny fikasana hampandroso an'i Afrika noho ny fikorontanana misy ao amin'ny faritra maro ao amin'ny kaotinanta, avo kokoa...
Madagasikara: Dia Eto Indray Isika Amin'ny Fanaovana Gaboraraka Ny Tany, Tsy Misy Mandraharaha
Mitatitra ny Tananews fa ny governemanta ao Madagasikara dia mampanofa tany mandritra ny 50 taona na mihoatra amin'ny sanda tena ambany dia ambany $15 ny metatra toradroa isan-taona(fr) aminà mpandraharaha...
Zambia: Miresaka ny Tokony Hizaràna Fimailo Any Am-ponja Ireo Siokantserasera
Ny olana tahaka ny VIH/SIDA sy ny olona mitovy nefa mifanambady dia olan'ny fihetseham-po any Zambia. Iry voalohany dia naka aina maro tato anatin'ny dimiambiroapolo taona farany ary itsy farany dia olana tsy sahin'ny olona resahana imasom-bahoaka akory. Ny sasany tamin'ireo Zambiana tao amin'ny Twitter, na izany aza, dia nanasongadina endrika iray mahaliana amin'ilay adihevitra mikasika ny fifanambadian'ny olona mitovy - hoe tokony haparitaka any amin'ireo fonja Zambiana ny fimailo, toerana izay fantatra fa isian'ny fampiharana ny sodomia (firaisana amin'ny lava-body).
Fanalahidy Hamongorana Ny Hanoanana Eran'Izao Tontolo Izao Ve Ny Fandrisihana Ny Vehivavy?
Satria ny vidin-tsakafo eran-tany dia mitohy hatrany mijanona ho avo, ary mbola hita eny am-paratazana ny fisondrotana noho ny sondro-bidin'ny solika sy ny tahirin-tsakafo, milaza ireo manampahaizana manokana fa misy vahaolana izay matetika no tsinontsinoavina azo iadiana amin'ny hanoanana: ny vehivavy.
Gabon : Fihetsiketsehana eo amin'ny sehatry ny solika
Raha samy mitady vahaolana hafa momba ny olana ara-tsolika ny firenena eran-tany, ny firenena Gabon kosa izay saika mifototra tanteraka amin'io harena io dia mbola manana tahiry. Tao anatin'ny volana vitsivitsy...