· Septambra, 2018

Tantara mikasika ny Fampandrosoana tamin'ny Septambra, 2018

Entina hanombanana ny zava-bitan'ny praiministra vaovao Pakistaney ny ‘Khan Meter’

Manontany ny amin'ny fahafahan'i Khan hanatanteraka ny fampanantenany ireo adihevitra miely be any Pakistana. Ho setrin'izany,  dia nampiditra ny 'Khan Meter, fitaovana nomerika handrefesana sy hanoratana ny zava-bitan'i Khan anaty 100 andro amin'ny maha filohan'ny antoko PTI azy ilay tanora mpandraharaha teknolojia antsoina hoe Salman Saeed.

12 Septambra 2018

Bangladesh: Firenena latsaka an-katerena, loharanom-baovao ny bilaogera

Nahita fiovana lehibe i Bangladesy vao haingana. Ny alakamisy alina, nanambara firenena latsaka an-katerena ny filoha Iajuddin Ahmed ary nametra-pialàna amin'ny maha-lehiben'ny governemanta vonjimaika azy, izay fitakiana voalohany nataon'ny firaisamben'ny mpanohitra. Nahemony ihany koa ny fifidianana amin'ny 22 janoary, izay voalaza fa efa vita ny dingana amin'izany.

09 Septambra 2018

Niantso ho amin'ny fanovàna ny Irakiana 

Nitranga nanerana ny tontolo Arabo ny fitroarana sy ny fihetsiketsehana tamin'ny taona 2011.  Nikarakara fihetsiketsehana ny olona tany Libya, Alzeria , Maraoka , Bahrain ary firenena Arabo hafa. Tsy nisy hafa tamin'izany ny tao Iraka izay nahitana vahoaka nitaky fanovàna.

09 Septambra 2018

Egypta: Mampiasa ny Twitter ho an'ny fahasalamana tsara kokoa

Azo ampiasaina ve ny Twitter hamonjena ain'olona na hanatsarana ny fahasalamany? I Tarek Amr dia manao topi-maso ny kaonty Twitter izay tantanan'ny mpivady iray ao Egypta, mikendry ny hampitombo ny fanentanana ara-pahasalamana eo amin'ny fiarahamonina, izay matetika mahakasika ny lohahevitry ny zava-pady, toy ny fanabeazana ara-pananahana.

06 Septambra 2018