Tantara mikasika ny Fampandrosoana tamin'ny Jolay, 2014
Nakaton'ny Manampahefana Ao Bangladesh Ny Trano Iasan'ny Mpivaro-tena Nijoro Efa Ho 200 Taona Izao, Mpivaro-tena An-jatony No Voaraoka Tamin'izany
Fanerena avy amin'ireo mpitarika fivavahana sy mpanao politika kaonservativa no antony ilazana fa mahatonga ny fanakatonana ny tranon'ny mpivaro-tena ao Bangladesh. Saingy niampanga ireo manampahefana ao an-toerana ho maka tany an-keriny kosa ny fikambanana nasionalin'ny mpivaro-tena ao Bangladesh.
Malaza Noho i Messi Ity Tovovavy Mpilalao Football Ity Any Amin'ny Tanàna Kely Lavitra Andriana Misy Azy ao Nepal
Sunakali no nitondra ny ekipany ho any amin'ny fandresena tamin'ny fifaninanam-pirenena amin'ny football vehivavy. Rehefa tonga an-tanindrazana ry zareo dia notsenain'ny tao an-tanàna tao amin'ny fitodian'ny fiaramanidina tamin'ny hiaka hoe, "Sunakali, tahaka an'i Messi!"
Antontan-taratasy Tafaporitsaka Mamafy Aloka Momba Ny Hoavin'ny Fitrandrahana Entona Fandrehitra Ao Tanzania
Tafaporitsaka ho hitan'ny besinimaro, fifanarahana iray fifampizaràna famokarana entona governemanta Tanzaniana sy ny "Statoil" orinasa maro rantsana avy any Norvezy, no manasongadina ny hoe lasa resaka manohintohina ny resaka fidiram-bola avy amin'ny toeram-pitrandrahana entona ao Tanzania—sy ny hoe iza no mahazo tombontsoa amin'izy ireny.
Potehin'ny Polisy ao Bangladesh Ny Voankazo Manga Vokatra Fa Misy Formaldehyde
Raofin'ny polisy sy potehiny ny garaba feno manga satria ambony loatra ny tahan'ny formol, taharon'ny formaldehyde atsifitra amin'ny voankazo mba hahaela kokoa ilay voankazo tsy ho lò.
Brezila: Toerana 5 Nanaovan'ny Olona Hetsi-Panoherana, Fa Tsy Fanohanana, Nandritra Ny Fanombohan'ny Fiadiana Ny Amboara Eran-Tany
Tsy ny rehetra any Brezila no taitran'ny fijerena ny Fiadiana ny Amboara Erantany. Misy antokon'olona manohitra ny fandaniana ilay vola be tokony hanasoavana vahoaka manerana ny firenena.
Mety Ho Vita Bangladesh Ny Fanaminao Amin'ny Mondialy
Nahazo 500 tapitrisa dolara farafahakeliny ireo mpanamboatra akanjo tamin'ny fanondranana ireo fanamiana Mondialy hoan'ireo mpanohana manerantany. Nividy ny fanamiana ihany koa ireo olona ao Bangladesh.