Tantara mikasika ny Fampandrosoana tamin'ny Jona, 2011
Zeorzia: Governemanta 2.0
Amin'ny fananana mpisera Facebook 621.640 ao amin'ny firenena, Zeorzia no tafiditra lalina indrindra amin'ity valantserasera ity eo amin'ny faritra. Miezaka ny hahazo ny olona an-tserasera ankehitriny ny sampandraharaham-panjakana sy ny manam-pahefana.
Però: Manambara ny fiverenany hitokona ao Puno indray ny vazimba Aymara
Taorian'ny fampiatoana vonjimaika [es] ahafahana manatontosa ny fifidianana filoham-pirenena [es] ao amin'ny faritr'i Puno, dia nanambara ny fiverenany [es] tanteraka hitokona [es] indray ny vazimba Aymara, amin'ny fitakian'izy ireo hanafoana ny toeram-pitrandrahana ankibon'ny tany rehetra any Puno
Afrika : Manaraka Akaiky An'i Shina I Inda
Tamin'ny May, tao amin'ny foiben'ny Fiombonambe Afrikana ao Addis-Abeba, Etiopia, no natao ny fihaonana an-tampony faharoa teo amin'i Inda sy Afrika. Ny drafi-piaraha-miasa naroson'i Inda, izay tena samihafa amin'ny an'i Shina dia niteraka fanehoan-kevitra samihafa teo amin'ny tontolon'ny Afrikana miteny frantsay.