Tantara mikasika ny Fampandrosoana tamin'ny Avrily, 2019
Nepal: Mirehitra i Madhesh
Efa taonjato maro ireo Madhesi no natao anjorom-bala. Ao anaty fitroarana izy ireo ankehitrin, izay tsapa ho toy ny ampahany faharoa eto amin'izao tontolo izao manetsika ny Revolisiônan'y Aprily [...] Raha ampahany ao anatin'i Nepal i Madhesh, dia nahoana ireo Madheshis no tsy omena vintana ho afaka hanao raharaha miaramila?
Dokambarotry ny Orinasa Bangladeshi Mpanao Loko, Nokianin'ireo Mpandàla ny Zavakanto Nentindrazana Alpana
"Ny Berger kosa manolotra ny loko voatrolombelona novokariny ho an'ireo Alpana mpanakanto ao amin'ny vohitr'i Tikoil . Tsy ilain'ireo mpankanto intsony ny handoko manaraka ny vanintaona tsirairay, haharitra mandrakizay ny loko. Zava-doza!"
Kazakhstan: Miresaka momba ny toekarena ireo bilaogera nosakanana
Na dia mbola tsy azo hidirana amin'ny alalan'ny telecom nasionaly mpanao ampihimamba Kazakhtelecom aza ny LiveJournal, sehatra famahanam-bilaogy lehibe ao amin'ny sehatra post-Sovietika, anisan'izany i Kazakhstan, dia mbola mahita fomba hanehoana ny heviny an-tserasera ny mpientanentana amin'ny aterineto.
Ozbekistana: Ireo Fiovàna Tsy Niriana
Taorian'ny faharavàn'ny URSS, nitsahatra tsy nisy intsony ny mari-pamantarana sy ny ideolojia kaominista sovietika ary niatrika olana miezinezina momba ny famaritana maripamantarana azy vaovao sy ara-ideolojika ireo firenena vaovao.
Malezia: Tetikasa Fanarenana Faharoa
Tsy ampy ilay tetikasa fanarenana ny toekaren'i Malezia natao voalohany tamin'ny 2008. Vokany, nanambara tetikasa fanarenana faharoa ny governemanta ny volana Martsa 2009.
Môzambika/Brezila: Voatsikera Ny “Diplomasia Etanôla”
Nanameloka mafy ny fifanarahana nataon'i Brezila, ny Firaisambe Eoropeana sy Mozambika ny Friends of the Earth Europe sy ny ONG Justiça Ambiental noho ny fampiroboroana ny famokarana solika biolojika ao Môzambika. Atao kely ny haba ho an'ny etanôla afaran'ny UE fa hotohizan'ny UE ho asiana hetra kosa ny etanôla Breziliàna.
PangeaDay: Ireo Lahatsary Hanovàna Izao Tontolo Izao Rehefa 10 May
10 may 2008 tamin'ny 6ora hariva GMT, lahatsary 24 no nalefa nandritra ny hetsika PangeaDay, avy aminà faritra enina, ary amin'ny fiteny fito samihafa eto an-tany, ho hita avy amin'ny Aterineto, fahitalavitra na finday, ka tokana ny tanjona : hahafantarana ny fiainan'ny hafa, hifantohana amin'izay mampitovy antsika, fa tsy izay mampiavaka,hiasàna ho an'ny fandriampahalemana.
Shina: “Dingana Lehibe Mandroso” ao Hebei
Mihoatra ny 1000 ny mponina ao amin'ny faritanin'i Hebei ho voakasiky ny fandroahana an-tery alohan'ny 5 Jona, ao anatin'ny tetikasa fampandrosoana ataon'ny governemanta, izay nantsoin'ny hevitra antserasera hoe "Fandrosoana Lehibe".