· Jolay, 2010

Tantara mikasika ny Fampandrosoana tamin'ny Jolay, 2010

Filipina : olana rano ao Manille

  24 Jolay 2010

Saripika avy amin'ny pejy Flickr an'i rickyli99 Miaina olana tsy fahampian'ny rano sedrain'ireo mpampiasa rano an-tapitrisany ankehitriny i Metro Manille, renivohitr'i Filipina. Tezitra amin'ny tsy fahitana rano handroana ny mponina ka  namaky ny...

Sina : Hividy ny petra-bolan'ny BP ? Azony atao

  20 Jolay 2010

Any Beijing androany ny sekretera vahiny Britanika William Hague, ary mitatitra ireo haino aman-jery Sinoa amin'ny aterineto fa hivarotra ireo fananan'i BP amin'ni Sina no tanjon'ny diany avy amin'ireo fitantanana Amerikana latina. Ratsy ireo fanakianana amin'ireo tolo-kevitr'ireo mponina amin'ny aterineto mba hanampiana ny fifanarahana amin'ireo resaka amin'ny fifanakalozana.

Sina: Fijerim-bahiny ny Rantin'i Shanghai

  20 Jolay 2010

Nandia ny roa volana sahady amin'ny enim-bolana holalovany ny Ranty Manerantanin'i Shanghai . Tsy nipetrapetra-poana ny mpitoraka bilaogy mba hamantatra ny tanjon'ity fandaniam-bola goavana ity, sy hitantara ny fivoarana haingana...

Togo: Manararaotra ny fivoaran'ny teknolojia ireo vehivavy sy ireo tanora

  18 Jolay 2010

Tamin'ny faha-17 Jona, nisokatra tany Ouagadougou, Burkina-Faso[fr] nyfihaonam-be panafrikana fahatelo mikasika ny fomba fampiasa tsara indrindra ny ICT [TIC amin'ny teny Frantsay; Teknolojian'ny Fampitambaovao sy ny Fifandraisana] any amin'ny tany miteny frantsay ao Afrika . Raha miompana kokoa amin'ireo ftetika hifehezana ny heloka bevava anaty Aterineto ny fihaonam-be, ireo tontolon'ny blaogy Togolezy kosa dia manararaotra sy miresaka ny tanjaky ny teknolojian'ny fampitam-baovao ho amin'ny fampandrosoana, indrindra fa ny vehivavy sy ny tanora

Niger : Misoko mangina ny hanoanana

  14 Jolay 2010

Miteraka ahiahy be ihany ny tsy fahampian'ny fitateram-baovao momba ny olana ara-tsakafo any Sahel ho an'ny olona 2,5 tapitrisa any Niger izay voakasiky ny fahalanian'ny sakafo hohanina. Milaza hanamafy ny fandaharan'asany hiarovana...

R. D. Congo: Fahaleovantena “Cha Cha”

  03 Jolay 2010

Nankalaza ny faha – 50 taonan’ny fahaleovantenany niala tamin’ny zioga Belza ny Repoblika Demokratikan’i Congo. Raha mbola faly mampidera ny halafon’ny fitaovana ara-miaramila vaovao izay ampiasaina amin’ny fisehosehoana amin’ireo manamboninahitra ny fanjakana , dia mitantara ireo filatroana tany Kinshasa sy Lubumbashi kosa ny mpitoraka blaogy Kakaluigi[fr] sy Congo Miliki [fr], eo andanin’izany, mampahatsiahy ny vanim-potoan’ny fahaleovantena sy ny zava-bita tsara indrindra tamin’ireo androm-panantenana ny mpitoraka blaogy Kongole sasany.