Tantara mikasika ny Fampandrosoana tamin'ny Septambra, 2014
Niady Ny Ady Maharitra Hanoherana Ny Fahantràna Tao Meksika ity Fikambanana ity
Nanampy hanorina trano maherin'ny 3.000 tany amin'ireo faritra tena mahantra tao Meksika ny fikambanana iraisam-pirenena TECHO. Mijery ny tsy fitoviana tsikaritry ny TECHO tao Xochimilco ny Global Voices.
Zavatra 8 Tianao Ho Fantatra Momba An'i Madagasikara Saingy Tsy Sahinao Nanontaniana
Raha efa nandalo ny eritreritrao ny hitsidika an'i Madagasikara na koa ny fitiavana hahalala fotsiny ilay nosy, ireto misy sehon-javatra vitsivitsy tokony hosainina.
Manao Fanamby Momba ny Hanohanana, Ny Ady Ary Ny Pôlitika Ireto Karazany 8 Toy Ny Ice Bucket
Manovaova ny endrik'ilay hetsika miparitaka be ao anaty aterineto ny olona, manomboka amin'ny hetsika “Lather Against Ebola” iadiana amin'ny Ebolà any Côte d'Ivoire, ka hatramin'ny "Rubble Bucket Challenge" ho an'ny ankizy any Gazà.
Afrikana Sisampatin'ny Ebola: Mitantara Ny Fahasitrànany Sy Ny Fanilihan'ny Fiaraha-Monina
"Misaotra an'Andriamanitra tamin'ny fisian'ireo dokotera ireo. Nanome taratasy ahy izy ireo izay manaporofo fa sitrana tamin'ny aretina Ebola aho sao mantsy misy olona tsy mino izany."
Fanentanana Tao Bhutan, Manome Kiraro Ho An'Ireo An'arivony Mila Izany
Manadio ary manamboatra kiraro efa niasa ilay mpandraharaha Bhutane, Dawa Drakpa, ary mizara izany amin'ireo izay tsy manana fahafahana mividy kiraro tsaratsara. Eo amin'ny 1 isan-jaton'ny mponin'ny firenena no nahazo kiraro.
‘Avy Ao Ambadiky Ny Kodiarana': Topimaso An’ Ireo Vehivavy Tavela Irery Ao Tajikistan, Nilaozan'ny Vadiny Nifindra Monina Any Rosia
"Behind the Wheel" dia horonantsary fohy iray miresaka mpifindra monina sy i Nigora, ilay vehivavy iray mahavariana, izay nitady vahaolana taorian'ny namitahan'ny vadiny azy, nohadinoiny ny fomba amam-panaon'ny mponina tao an-toerana nisy azy ka lasa nanamboatra ny simba amin'ny kodiaranà fiara izy.