Tantara mikasika ny Fampandrosoana tamin'ny Aogositra, 2010
Noam Chomsky tany Shina
Tamin'ny 13 Aogositra, nikabary tao amin'ny Anjerimanontolon'i Peking any Beijing i Noam Chomsky. Chomsky, iray amin'ireo olon-tsotra manampahaizana isan'ny misongadina amin'izao vaninandro iainantsika izao, dia malaza amin'ny hafanam-pony ara-politika sy ny fandraisan'anjarany amin'ny fanabeazamboho ny teny sy ny filaozofia. Ny resaka, nampitondraina ny lohateny hoe Ny manodidina ny Drafi-Pandaminana izao Tontolo izao: Fitohizan-draharaha sy Fiovàna (Contours of World Order: Continuities and Changes), dia saiky nirona betsaka tamina olana lehibe roa atrehan'ny zanak'olombelona: ny ady nokleary sy ny fahasimbana/fikorosian'ny tontolo iainana.
Bangladesh: Mizara ireo heviny momba ireo orinasa Grameen ireo mpitsidika
Amin'ity fahavaratra ity, mpianatra valo sy mpikambana ao amin'ny sampana mianatra ny Fifehezana ny Fitantanam-bahoaka (MPA) ao amin'ny Anjerimanontolon'ny Kentuky Avaratra (NKU) any Kentucky any Etazonia no mamarana fiofanana any Bangladesh ao amin'ny Banky Grameen. Nanao fitsidihana maro tany izy ireo ary mandrakitra ireo zava-niainany any amin'ny blaoginy tsirairay avy amin'ny alalan'ireo lahatsoratra, sary ary horonantsary.
Filipina: Topimason'ireo mpitoraka blaogy amin'ny olana mianjady amin'ireo tantsaha
Ireo mpitoraka Filipiana nandray anjara tamin'ny fitetezam-paritra ara-barotra tany amin'ireo tanàna an-tendrombohitr'i Cebu, faritra afovoan'i Filipina, dia nahita ny fomba toe-piaina sy nahazo sary an-tsainaireo olana atrehan'ireo tantsaha any amin'io faritra io.
Haiti: Iharan'ny herisetra ireo vehivavy sy zazavavy nafindra toerana
Vokatr'ilay horohoron-tany nandringana tany Haiti, mbola iharan'ny herisetra ihany ireo vehivavy sy zazavavy, ary ny sasany amin'izy ireo dia tsy hoe voaolana fotsiny ihany, fa mbola mizaka ny tsy fisian'ny rafi-pitsarana sy ny tsy fahampian'ny fitsaboana ihany koa.
Nikaragoa: Fihaonana mikasika ireo blaogy sy Media Vaovao 2.0 any Managoa
Amin'ny 12 sy 13 Aogositra dia hotanterahina any Managoa ny Fihaonana mikasika ireo blaogy sy ny Media Vaovao 2.0 (2.0 Encuentro de Blogs & Nuevos Medios), miaraka amin'ny fandraisan'anjaran'ireo manam-pahaizana mikasika ny media vaovao avy amin'ireo firenena samy hafa manerana ny faritra, anisan'izany ireo mpanoratra sasany ao amin'ny Global Voices.
Qatar: Mizaka ny fanovàna laharan'antso ho isa valo ireo mponina
Ao anatin'ny ezaka ho fiatrehana ny filàn'ny ampitso, novain'i Qatar ny ankamaroan'ireo laharan'antso rehetra na finday na ny mampiasa tariby, miala amin'ny isa fito hanjary ho valo. Mitaraina ny mponina, saingy mahita fa toa mora ihany tsy araka ny noeritreretina ilay fiovàna.