· Febroary, 2011

Tantara mikasika ny Fampandrosoana tamin'ny Febroary, 2011

Jordania: Miady amin'ny tetikasa fanapahana hazo ny media sosialy

Nanao filazana ny Governemanta Jordaniana mikasika ny fanamboarana sekoly ambonin'ny miaramila ao anatin'ny alan'ny Ajloun, iray amin'ireo faritra Jordaniana vitsy misy ala. Mila ny fanapahana hazo 2200 ity tetikasa ity, ao anatin'izany ireo karazana hazo efa miha-manjavona sy ireo hazo eritreretina ho efa 500 taona. Miaraka amin'izany, Maro ireo fikambanana efa mijoro sy vao natsangana mba hanakana ity tetikasa ity - izay matetika dia miasa amin'ny alalan'ny mediam-bahoaka mba hahenoana ny feony sy hanetsika ny fanohanana eo an-toerana.