Tantara mikasika ny Fampandrosoana tamin'ny Oktobra, 2015
Toy Ny Hoe Ranomandry, Nefa Dia Poizina Be ity Roatra Eo Ambonin'ny Farihy Bangalore ity
Ao amin'ny farihy antsoina hoe Bellandur no tena miforona ireo roatra ao Bangalore, India, farihy izay hatry ny ela no efa ivarinan'ireo rano maloto sy loto simika tsy nisy fikarakaràna sahaza akory.
Nitsipaka Ny Didim-pitsarana Voalohany, Namonjy Vehivavy Nijangajanga Voaheloka Hotoraham-bato Ny Fitsarana Tampony
Nandray fepetra haingana ny Fitsarana Tampony ao Maldives mba hitsipaka ny didim-pitsarana hamono ho faty vehivavy iray noho ny fijangajangana.
Famonoan-Dreniny ny Zanany, Fikasàna Hamono Tena Manasongadina Ny Enta-Mavesatra Ho an'ny Vehivavy Tajik
'Mitranga izany rehetra izany satria tsy misy fiarovana ara-tsosialy ho an'ny mponina. Misy sampan-draharaha manana andraikitra amin'izany, nefa tena tsy misy ilàna azy.'
Hampiantrano Ny Word Social Forum 2016 (Vovonambe Sosialy Iraisampirenena) Momba Ny Fifindrà-monina i São Paulo
“Mampiseho ny fanekena ny adin'ireo hetsika sosialy nandritry ny taona maro tao an-tanàna, ilay vovonambe, indrindra, ny an'ireo mpifindra monina, izay lasa manana andraikitra bebe kokoa hatrany amin'ny fitarihana"
Hosodoko an-drindrina goavambe nahatonga ilay fokontany meksikana ho ‘Majika’
Nanao hosodoko an-drindrina mahazo trano 200 ao amin'ny zanabohitr'i Las Palmitas ny Germen Crew, koperativa iray tsy miankina amin'ny fanjakana. Nanampy tamin'ny fanamafisana orina ny fiarahamonina ity tetikasa "majika" ity.