Tantara mikasika ny Fampandrosoana tamin'ny Novambra, 2015
Tetikasa Mapping for Niger : Ny Tantarany sy ny Vinavinany
Mitantara ny fiandohan'ny tetikasa Mandrakitra an-tsarintany ho an'i Nizera sy ny hoaviny i Fatiman Alher.
Feno 60 Taona Ilay Botàna Mpanjaka Fahefatra Malaza
"Misaotra anao ry Mpanjaka,.... Tamin'ny fijoroana ho filamatra niaraka tamin'ireo hatsoram-po miavaka Tamin'ny naha-mpitarika mahay mijery sy mitsinjo lavitra anao"
Asa fa tsy kabary, hoy ny tanoran'ny Commonwealth amin'ny mpitondrany
Tian'ny mpitarika tanora ao amin'ny Commonwealth mivory ao Malta ny hampisehoan'ny governemantan-dry zareo amin'ny asa ny resak'izy ireo.
Molenbeek, Zavamisy Mifaningotsingotra Ao Amin'ny Fiarahamonina Vasohan'ny Media
Ao afovoan'ny renivohitra Belza no misy an'i Molenbeek-Saint-Jean, fiarahamonina manana fidiram-bola ambany fandalovan'ireo voarohirohy ho nanatanteraka ny fanafihana tao Parisy sy ireo hetsika feno herisetra hafa.
Fantaro Ireo Mpikatroka Telo Avy Ao Afrika Avaratra Miady Amin'ny Fikorontanan'ny Toetr'andro
Eo anelanelan'ny fiakaran'ny ranomasina sy ny haintany miha mahazo laka, ao anaty toe-javatra atahorana i Afrika Avaratra. Tahaka izao no fanoheran'ireo mpikatroka telo ny fikorontanan'ny toetrandro.
Hatraiza Ny Fahombiazan'ny Hetsika Fiaretan-tory “Tsy Maintsy Atsahatra ny Delestazy” Tao Ghana?
Ahoana no hamaritanao ny fahombiazan'ny fihetsiketsehana goavana iray?
Mamokatra Ny Adin'i India Amin'ny Tsy Fanjarian-tsakafo Manjo Ny Ankizy
Fanjakana maro ao India no miady manohitra ny tsy fanjarian-tsakafo, efa am-polo taona maro. Mampiseho fivoarana tsara sy fahombiazan'ireo fandaharanasa isankarazany ny tarehimarika ofisialy, saingy mbola betsaka ihany ny tokony hatao.
Asehon'ireto Sary Ireto Ny Tolon'ireo Vazimba Teratany Manohitra Ny Fanararaotana Ao Filipina
Manana vazimba teratany eo amin'ny 14 tapitrisa eo i Filipina. Any aminà vohitra lavitra, tandindonin'ny fandravàna ateraky ny fitrandrahana harena ankibon'ny tany mitondra faharavàna, ny hetraketraky ny fampandrosoana ary ny famenoana miaramila ny tanànany ny maro amin'izy ireny no monina
Iràna: Hanome Fitsaboana Tsy Manavaka Ho An'ireo Mpitsoa-ponenana
Manakaiky ny 1 tapitrisa ireo vahoaka Afgàna mpitsoa-ponenana ao Iràna, miampy ireo vinavinaina ho 1,4 hatramin'ny 2 tapitrisa monina sy miasa ao amin'ny firenena nefa tsy misoratra ara-dalàna ho mpitsoa-ponenana