Tantara mikasika ny Fampandrosoana tamin'ny Desambra, 2011
Shina: Fitroarana Tao Guangdong, Ao Haimen Ankehitriny
Hatramin'izay nametrahana ny tananàn'i Wukan ao amin'ny faritanin'i Guangdong eo ambany fanaraha-maso taorian'ny fanesorana ny Antoko sy ireo manampahefana tao amin'ny governemanta izay, dia farafahakeliny tanàna roa mifanakaiky no nanao hetsika manokana. Ny vao haingana indrindra izao dia ilay nitranga androany, izay voalaza fa nahitàna olona 30.000 nibahana sampanan-dalana iray be mpivezivezy .
Amazonia Peroviana: Ny Fanambin'ny Zava-Mahatalanjon'ny Natiora
Nambara ho isan'ny iray amin'ireo zavatra 7 mahatalanjon'ny natiora ny ala mikitron'i Amazonia, fanambaràna izay andrasana hitondra tombontsoa ho an'i Loreto , faritra Peroviana ar ny tananan'i Iquitos amin'ny fampiroboroboana ny fizahantany. Nefa mba niomana marina ho amin'izany ve ny faritra?
Madagasikara: Adihevitra Momba ny Fampiasam-bola Mivantana
Raha mbola eo ampitadiavana ny vahaolana ialana amin'ny krizy politika miitatra i Madagasikara, miresaka ny lanjan'ny Fampiasam-bola mivantana (FDI) kosa ny bilaogera malagasy. Maro ny Malagasy no mihevitra fa manana harena voajanahary, tahaka ny firenena Afrikana hafa, i Madagasikara, saingy potiky ny tsy fahaiza-mitantana sy ny fifanakalozam-barotra misy fanambakana.
Shina sy Makedonia: Tezitra Ny Mpiserasera Sinoa Noho Ny Fanomezana Fiara Mpitatitra Mpianatra
Niteraka fahatezerana teo amin'ny mpiserasera Sinoa ny vaovao momba ilay fanomezan'ny governemananta Sinoa Fiara mpitatitra mpianatra miisa 23 ho an'ny Repoblikan'i Makedonia tamin'ny 25 Novambra 2011 lasa teo, satria mbola ao...