Tantara mikasika ny Fampandrosoana tamin'ny Novambra, 2013
Ny Miteraka Ny Fahatapahana Herinaratra Ao Bénin
Ho fampahatsiahivana, ao Nizeria, izay firenena lehibe indrindra mpamokatra solika aty Afrika, efa ho ny roa ampahatelon'ny vahoaka no miaina ambanin'ny fetran'ny fahantrana ary ireo mba manana fahafahana miditra amin'ny tambajotran'ny herinaratra indray dia mizaka fahatapahana isanandro.
Saripika: Sary Maneho Ny Fiainan'ny Vondron-piarahamonina iray Mahantra Ao Antanàn-dehiben'i Manila
Na dia eo aza ireo fandrosoana voatatitra ao Filipina, mbola mampialokaloka mpanjanaka an'aliny maro foana i Manila.
Solitanin'i Bénin: Fikoropahana sa Fanambaràna Politika?
Nanambara ny governemanta beninoà fa nahita toera-pitrandrahana solika tao amin'ny faritra Sèmè-Podji. Mahafaly ny sasany izany toe-javatra izany fa mampanontany ny hafa kosa hahalalany ny antsipirihany momba ny fahitana ity zava-baovao ity.
‘Ny Vehivavy Dia Tokony Hanaiky’, Sy Tolo-hevitra Hafa Mivoaka Amin'ny Karoka Google
Nanaraka ny ohatra nataon'ny vehivavin'ny Firenena Mikambana, Nanatontosa ny traikefany manokana ny Global Voices miaraka amin'ny Google "Autocomplete". Namoaka ireo fihetsika malaza eo amin'ny andraikitry ny vehivavy, ny ara-nofo, ny toe-batana ivelany sy ny fifandraisana amin'ny lehilahy ny fikarohana.
Hisorohana Ny Fahapoizinana Amin'ny Merkiora, Firenena 92 Nanasoania Ny Fifanarahana “Minamata”
Nolaniana tao Minamata, Japana ny Fifanarahana Minamata momba ny Merkiora, fitaovana iray iraisam-pirenena mamepetra mikasika ny merkiora. Manantena ny mba ho fantatra noho ny fitadiavana vahaolana ankehitriny ilay tanàna izay fantatra hatrizay noho ny loza mahatsiravina nanjoa azy.