Lahatsoratra farany an'i admin tamin'ny Mey, 2019
Kenya: Misaotra an'i Annan sy ny ekipa fa hilamina ny firenena
Faly sy nandihy ireo Kenyana satria nanatri-maso ny mpitarika ny mpanohitra Raila Odinga sy ny filoha Mwai Kibaki manasonia fifanarahana fifampizarana fahefana tao Nairobi.
Indonezia: Mpilalao sarimihetsika nanao hetsi-panoherana tao amin'ny parlemanta
“Jujur, Adil, Tegas.” Amin'ny teny Anglisy dia midika hoe "Marina, Madio, Mahitsy." Ireo no voambolana voasoratra tamin'ny loko mena nataon'ilay menavazana mpilalao horonantsari-mihetsika malaza Pong Harjatmo teo amin'ny tafon'ny tranoben'ny parlemanta Indoneziana ho mariky ny fanoherana ny zavatra nofaritany ho rafitra demokratika sy mpanao lalàna tsy mahomby ao amin'ny firenena.
Manomboka ao Dhaka ny fihaonambe SAARC faha-13
Nanomboka ao Dhaka, renivohitr'i Bangladesh ny andro nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy ny fihaonambe faha-13 ho an'ny Fikambanana Fiarahamiasa Ara-paritra ho an'ny firenena fito Aziatika Tatsimo (SAARC) ahitana an'i Bangladesh, Bhutan, India, Maldiva, Nepal, Pakistan ary Sri Lanka.
Global Lives: Mijery indray ny tetikasa mandrakitra ny fiainan'ny olona
Roa taona lasa izay, nanoratra momba ny tetikasa iray tany am-boalohany isika: Napetraka ny Global Lives mba handrakitra andro iray eo amin'ny fiainan'ny olona 10 avy amin'izao tontolo izao. Androany isika dia hijery indray ny tetikasa ary hanamarina ny fomba fiaviany.