Mpitsoa-ponenana Iraniana dimy ambiroampolo ao Athens, Gresy no nitokona tsy hihinan-kanina nanomboka ny 14 Oktobra mangataka amin'ny manampahefana Grika mba handinika ny antontan-taratasy fangatahan'izy ireo fialokalofana ara-politika. Nanjaitra ny vavany ny sasany amin'izy ireo.
Fanambaràna iray avy amina vondrona Iraniana mpanentana no nilaza fa tamim-pilaminana no nanaovan-dry zareo ilay hetsi-panoherana tao amin'ny Propylaia ao Athens nandritry ny 44 andro mahery tsy nahazoana valiny talohan'ny nanapahan-dry zareo hevitra fa hanomboka hitokona tsy hihinan-kanina. Milaza ry zareo fa norahonan'ireo manampahefana ao an-toerana mba hampiatoan-dry zareo ny hetsika ampahibemaso ataony.
Araka ny lahatsoratra iray tao amin'ny Antiracismfacism.org, i Petros Konstantinou, mpirotsaka hofidiana amin'ny fididiana ny tanàna ary manohitra ny kapitalista dia nitatitra koa fa nahita mpiasan'ny ambasady Iraniana nanàndrana nandrànitra ireo mpanao fihetsiketsehana sady naka sary [Gr].
Nampiasa ny Youtube handefàsana ny hàfany ireo mpitsoa-ponenana sy ny mpanohana azy ireo. Azo lazaina ho tsy nisy mihitsy teo amin'ireo fampitam-baovao Grika mahazatra ny fandrakofam-baovao mikasika ilay fitokonana tsy hihinan-kanina, nefa kosa nitondra ny fanohanany ireo vondrona mafàna fo ao an-toerana sy ny fampitam-baovao anaty aterineto (ny afisy lehibe etsy ambony dia ho ana kaonseritra fanehoam-piraisankina).
Nandrava ireo mpitokona tsy hihinan-kanina ny polisim-bohitra Grika
Ity lahatsary tamin'ny 17 Oktobra ity dia maneho fitondrantena maherisetra nataon'ireo polisim-bohitra Grika tamin'ireo Iraniana.
Mpitsoa-ponenana iray no naiditra hopitaly
Iray tamin'ireo mpitsoa-ponenana, Masoud Faramarzi, no naterina tany amin'ny hopitaly taorian'ny fiharatsian'ny toe-pahasalamany andro vitsivitsy taty aorian'ny fitokonana tsy hihinan-kanina. Eo amin'ny tranolay dia azontsika vakiana ireo teny manohitra ny fitondrana Iraniana toy ny hoe “Adabohy i Khamenei” (Mpitarika ambony any Iran). Tany amin'ny 16 Oktobra tany ilay lahatsary.
Ity lahatsary avy amin'ilay fitokonana tsy hihinan-kanina ity dia nampakarina tamin'ny 18 Oktobra.
Tamin'ny Jolay, vondrona Iraniana enina mpialoha làlana amin'ny fitokonana tsy hihinan-kanina no nanao hetsika teo anoloan'ny biraon'ny Sampan'ny Firenena Mikambana misahana ny Mpitsoa-ponenana (UNHCR) ao Athens, isan'izany ilay iray nanjaitra ny molony.
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...