· Jolay, 2010

Tantara mikasika ny Amerika Avaratra tamin'ny Jolay, 2010

Fitorahana blaogy mivantana mikasika ny fanehoan-kevitra momba ny fiparitahan'ny antontan-taratasin'ady any Afghanistan

  31 Jolay 2010

Mihoatra ny 90,000 ireo antontan-taratasin'ny miaramila any Etazonia mikasika ny fanafihana tany Afghanistan naboraka. Ho fitsapana, mampiasa Google Wave isika mba "live blog global blog" iraisam-pirenena sy ireo resaky ny media mikasika ireo "boky mirakitra ireo ady" (#warlogs) nasehon'ny Wikileaks, Der Spiegel, New York Times sy The Guardian vahoaka androany.

Sina : Hividy ny petra-bolan'ny BP ? Azony atao

  20 Jolay 2010

Any Beijing androany ny sekretera vahiny Britanika William Hague, ary mitatitra ireo haino aman-jery Sinoa amin'ny aterineto fa hivarotra ireo fananan'i BP amin'ni Sina no tanjon'ny diany avy amin'ireo fitantanana Amerikana latina. Ratsy ireo fanakianana amin'ireo tolo-kevitr'ireo mponina amin'ny aterineto mba hanampiana ny fifanarahana amin'ireo resaka amin'ny fifanakalozana.

Manambara ny fanohanana avy amin'ny Omidyar Network ny Global Voices

  05 Jolay 2010

Amin-kafaliana no ilazako fa nanao fampiasam-bola mahatratra 1,2 tapitrisa dôlara amin'ny asan'ny Global Voices ny Omidyar Network. Fifandaminana mpanao asam-panasoavana ny mpiara-belona, natsangan'ny mpanorina ny eBay antsoina hoe Pierre Omidyar sy ny vady andefimandriny Pam, ho entiny manatsara ny fiainan'ny olona amin'ny alalan'ny “fitrandrahana ny herin'ny tsenambarotra”ny Omidyar. Efa nanohana...

Maneran-tany: Tsy matoan-dahatsoratry ny fampahalalam-baovao ny fiparitahan'ny solitany

  01 Jolay 2010

Misarika ny fifantohan-tsain'izao tontolo izao ilay fiparitahan'ny solitany tany amin'ny Elodranon'i Meksika, vokatr'izay fanapotehana noho ny tsy fahaiza-mitantana ny fitrandrahana solitany. Na izany aza, any amin'ireo toerana sasany maneran-tany, miaina miaraka amin'ny fandrarahana poizina toy itony ny olona, ary amin'ny alalan'ny horonantsary no hiezahan'ny vahoaka hisintonana ny sain'izao tontolo izao amin'ny fijalian'izy ireo.