Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Mey, 2015

Tantara mikasika ny Amerika Avaratra tamin'ny Mey, 2015

30 Mey 2015

Mifanjevo Ao Anatin'ny “Atin'akanjo Maloton'ny Paki” Ny Ara-nofo, Fivavahana Ary Politika

Nentin'ilay Pakistane metisy Amerikana, Aizzah Fatima, nitety izao karazan-toerana samihafa izao ny fampisehoana an-tsehatra lalaoviny samirery tato anatin'ny taona vitsy lasa. Na dia manafintohina ny sasany aza ny lohatenin'ilay fampisehoany. Lohateniny ny hoe : Atin'akanjo Maloton'ny Paki.

29 Mey 2015

Mety Hahazo Tombontsoa Amin'ny Vakisinin'ny Homamiadan'ny Havokavoaka Vita Tao Kiobà i Etazonia Atsy ho Atsy

Satria efa mihatsara ankehitriny ny fifandraisana eo amin'i Etazonia sy ny Kiobà, te hahita i Etazonia raha afaka mahazo tombony amin'ny vaksiny izy.

20 Mey 2015

Mpiangaly Rap Afgàna Nandositra Fampanambadiana Zatovo Tamin'ny Fihirana Momba Izany

Monina sy mianatra ao Etazonia ankehitriny i Sonita Alizadeh, mpiavy avy ao Afghanistan, ary mamoron-kira sy mihira ho amin'ny rariny ara-tsosialy ao Afghanistan.

13 Mey 2015

Salvador: Iadian-kevitra Hatrany ny hoe Iza ao an-Tanàna no Mpifindra Monina Voalohany

Tanàna kely iray mivelatra amin'ny firenena roa i Intipucá, mafana ny adihevitra mikasika izay mpifindra-monina voalohany tao an-tanàna nankany Etazonia.

11 Mey 2015

Netizen Report: “Raha Manaisotra Ny Fahalalahan'izy Ireo Ianareo, Mandratra Anay Rehetra” #FreeZone9Bloggers

GV Mpisolovava

Raha manamarika ny tsingeritaonan'ny fisamborana ireo namana ao Etiopia isika, miseho ny famantarana amin'ny finday ao anatin'ny fihetsiketsehana ao Goatemala ary mandinika indray ny "Lalàna Aaron" ny kongresy Amerikana.

05 Mey 2015

Vaovao Tao Amerika, Te “Hamafa” Ny Lasany Ity Tanora Vietnamiana Mpitsoa-ponenana Ity

Anisan'ireo fianakaviana Vietnamiana an'arivony nandositra ny renivohitra Atsimomin'i Vietnam, Saigon ny fianakaviana Truongs. Nanorina fiainam-baovao tao Etazonia izy ireo. Efapolo taona tatỳ aoriana, niara-niasa tamin'ny StoryCorps i Thu-Thuy sy ny anadahiny, Sy mba hiresaka momba ny fahatsiarovan'izy ireo tamin'ny fipetrahana tany Etazonia.