Tantara mikasika ny Amerika Avaratra tamin'ny Janoary, 2011
Tontolo Arabo: “Atsaharo ny mitomany ho an'i Sodàna”
Nametraka ny firenena ho eo ambanin'ny fanarahamason'ny tontolon'ny twitter Arabo ny fitsapan-kevi-bahoaka tany Sodàna mikasika ny fahaleovan-tena androany. Hatrany Arabia Saodita ka hatrany Palestina dia mandefa tweets mikasika ny firaisan'i Sodàna, ny fisarahana sy ny harena ny Arabo.
Mpandika teny misongadina: Sarah Standish
Tanora Amerikana mpampianatra sy mpitoraka bilaogy manana anton-draharaha i Sarah Standish. Ankoatry ny fampianarany ny teny Arabo ireo mpianatra eny amin'ny kolejy any Etazonia, manantena ity mpikambana ao amin'ny Lingua Arabo ity fa hanangana tetezana eo amin'ny Andrefana sy Atsinanana ary hampisy fifankahazoana bebe kokoa ny fomba fiainana Arabo sy ny fisainany. Nanadihady azy tao anatin'ity lahatsoratra ity i Shams Ahmad.
Tonisia: Manako eran-tany ny antsoantson'ireo mpanohitra
Ny kiak''ireo Tonisiana, manohitra ny kolikoly sy ny tsy fisian'asa nandritra ireo roa herinandro lasa, dia mihamalalaka kokoa ao amin'ny Aterineto. Mihetsika manaraka azy ireo sy manely ny antsony ireo mpampiasa aterineto maneran-tany.