Maneran-tany: Tsy matoan-dahatsoratry ny fampahalalam-baovao ny fiparitahan'ny solitany
Misarika ny fifantohan-tsain'izao tontolo izao ilay fiparitahan'ny solitany tany amin'ny Elodranon'i Meksika, vokatr'izay fanapotehana noho ny tsy fahaiza-mitantana ny fitrandrahana solitany. Na izany aza, any amin'ireo toerana sasany maneran-tany, miaina miaraka amin'ny fandrarahana poizina toy itony ny olona, ary amin'ny alalan'ny horonantsary no hiezahan'ny vahoaka hisintonana ny sain'izao tontolo izao amin'ny fijalian'izy ireo.
Nizeria:
Ny mponina any Nizeria dia tsy maintsy niaina niaraka tamin'ny fandotoana avy amin'ny solitany ao amin'ny Delta-n'i Niger efa am-polo taonany maro izao, nefa ho fanampin'izay, efa niainan-dry zareo ihany koa ny fanaovana zinona ny zon'olombelona izay namoizana ny ain'ireo mafa fo manohitra ny fandotoana ateraky ny solitany. Nanenjika an'i Shell ny vahoaka (izay mitantana ny fitrandrahana solitany any amin'ilay faritra) ary vao haingana tamin'ity volana ity no nanaiky handoa $15,5 tapitrisa ny Shell talohan'ny fitsaràna. Ho ampiasaina hanonerana ireo mafana fo mpiaro ny zon'olombelona io vola io ary hananganana tahirim-bola azo antoka. Nefa dia tsy mbola ahazoam-bokatra ny fitsaràna ny fanimbàna ara-tontolo iainana satria raha ny ambaran'ny fikambanana, ny dikan'ny hoe “fanadiovana” dia ny fanodinana ny tany mba tsy hahitàna soritra intsony ny solitany , fa dia mbola ao izy e, mandoto ny ambanin'ny tany sy mahatonga ny vahoaka harary, ary tsy mbola misy ny fepetra noraisina momba ireo jiro arehitra tsy an-kiato amin'ny solitany .
Indro ny horonantsary fijoroana vavolombelona avy amin'ireo olona any amin'ny Deltan'i Niger izay simban'ny fiparitahan'ny solitany ny anto-piveloman-dry zareo :
Egipta:
Ireo moron-dranomasin'i Hurghada any amin'ny Ranomasina Mena dia rakotry ny solitany andro vitsivitsy lasa izay, ary nanomboka nitaraina ireo mpizahatany sy ireo tompona trano fivahinianana. Ireny fitarainana ireny dia niteraka fanapahan-kevitra ary avy hatrany dia tonga ireo ekipa hamantatra ny anton'ilay fiparitahana, hampitsahatra izany ary hanadio ireo moron-dranomasina araka ny notaterin'ny Fikambanana Miaro ny Tontolo iainana any Hurghada (HEPCA).
Singapore
Iray volana lasa izay isika no nitatitra momba ilay fiparitahana solitany any Singapore, vokatry ny fifandonan'ny “tankers” roa [Avy amin'ny mpandika: ny “tanker” dia sambo natao manokana hitaterana solika] ary niteraka ny fiparitahan'ny solitany tsy voadio am-barikany maro nanapoizina ny rano. Ity manaraka ity dia horonantsarin'ny olon-tsotra iray mampiseho ny moron-dranomasina rakotry ny solitany:
Peru
Ny reniranon'i Marañon any amin'ny Ala Mikitrok'i Amazonia no hany loharanon-drano ho ana vondrom-piarahamonina maherin'ny 28 manamorona azy, ary taorian'ny fandrarahana solitany nataon'ny Pluspetrol vao haingana tamin'ity volana ity dia tsy misy manana rano madio intsony ireo vondrom-piarahamonina ireo ho an'ny filàny rehetra no sady tsy afaka manjono koa ry zareo, satria solitany tsy voadio maherin'ny 300 barika no niraraka tao. Ao amin'ny blaogy Globalizado, Juan Arellano dia manoratra lahatsoratra mamelabelatra sy manakatra ny endrika samihafan'ny akon'ny fiparitahana toy izao eo amin'ny zavaboarin'i Amazona sy ireo tompontany mifandray amin'ireo sakelidrano sy renirano. Ity misy horonantsarin'ny olon-tsotra iray mampiseho ny solitany mitsikafona eo ambony rano.
Tsy vaovao izany any Peru. Any Loreto, ilay orinasa PlusPetrol ihany dia manana tantara noho ny fanaparitahana ary ts mazava mihitsy ny ezaka fanadiovana ataony araka izany. Araka ny lazain'ny iray amin'ireo mpiasa ato amin'ity horonantsary manaraka ity, dia asaina mamadika ny tany fotsiny ry zareo, ary rehefa tonga ireo manampahefàna dia tenenin-dry zareo fa “efa voafehy ny fiparitahana”, nefa tsy afaka milaza izy ireo fa mbola ao ambany ao ny solitany izay mbola manapoizina rano, zava-maniry ary biby. Mpikambna iray ao amin'ilay vondrom-piarahamonina no mitantara ny nahafatesan'ireo namany noho ny fisotroana solitany tsy voadio sy ny fahazaran'izy ireo manana zokiolona maherin'ny 90 na 100 taona, nefa ankehitriny dia maty tanora ny vahoaka noho ny fitelemana solitany.
Venezoela:
Na dia eo aza ireo sary sy horonantsary mampiseho ny solitany mainty toy ny godorao eny amin'ny moron'ny farihy Maracaibo, ny Ministeran'ny Tontolo Iainana dia mitsipaka izay mety ho olana na fiparitahana solitany ary miantso ny korontana sy ny fako mandoto ireo moron-drano hatramin'ny taona 2009 ho “mahazatra”, araka ny tatitra ataon'i Código Venezuela.
Etazonia:
Ankoatra ny fiparitahana any amin'ny Elodranon'i Meksika, eo ihany koa ny fiparitahana solitany any Utah, noho ny fahasimbàn'ny fantson'ny orinasa Chevron ary namoaka solitany 33 000 galôna any amin'ireo sakelidrano. Raha manomboka miasa ireo andian'olona mpanadio ka manala ny solitany hita eny amin'ireo kamory, farihy sy lakan-drano, ny vondrom-piarahamonina kosa hizaka izay mety ho vokatry ny fanapoizinana. Ity manaraka ity dia horonantsary fohy mampiseho lakan-drano miaraka amin'ny solitany mandrakotra ny sisiny.
Toeran-kafa, Loza hafa:
Toa izao ny haino aman-jery vao mifantoka amin'ny fiparitahana solitany, ary raha hiverenana ny tamin'ny 2005 dia nahatonga ilay Taiwanais mpitoraka blaogy Munch hamporisika ireo mpamaky azy hiantso any amin'ireo biraon'ny hainoamanjery mba hijery ny fiparitahana solitany any akaikin'ny nosy Lanyu any Taiwan. Ity sary manaraka ity dia mampiseho ireo moron-drano feno solitany izay nodiovina.
Nefa tsy ny solitany ihany no manapoizina ny tontolon'ny an-dranomasina. Tamin'ny 2009, nisy sambo nitatitra “phosphate” nilentika tany amin'ny morotsirak'i Madagascar ary nisy fiatraikany teo amin'ny zavaboary ny fanapoizinana, anisan'izany ireo trozona mpifindra monina sy ireo mpanjono marary noho ny rano voapoizina eny amin'ny moron-drano.
Toa na firy na firy taona lany amin'ny asa fitrandrahana solitany, tsy mitombo manaraka ny filàna mampiasa sy mandany solitany ny fandraisana fepetra hahazoana toky fa tsy mandoto tontolo iainana manodidina ny toerana fitrandrahana na fantsona ny solika avy amin'ny toeram-pitrandrahana. Angamba tokony hamerina handinika tsara ny fampiasantsika solitany isika ary mangataka fanomezan-toky avy amin'ireo orinasa mitrandraka izany.
Sokajy

Tantaran'ny Afrika Mainty farany
Atombohy ny resaka
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 10 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...