· Desambra, 2012

Tantara mikasika ny Amerika Avaratra tamin'ny Desambra, 2012

Etazonia: Mitsangana Hanarina Ny Faharavana Ny Occupy Sandy

  30 Desambra 2012

Iray volana izay no nisian'ilay tafio-drivotra Sandy nandravarava tao Avaratra-Atsinanan'i Etazonia; na dia izany aza, mbola mitohy foana ny ezaka famonjena taorian'ity loza voajanahary ity. Raha nitady famonjena ho an'ireo fianakaviana an-jato an'arivony ny fanampiana federaly sy ny kaonseritra tahaka ny 12.12.12 nokarakarain'i Bruce Springsteen, nirotsaka an-tsehatra ihany koa ny hetsika tahaka...

Iraniana-Amerikana Mitady Olona Be Herim-po Hanavotra Aina

  26 Desambra 2012

Mitady olona be herim-po ny mpiserasera Iraniana. Tsy ho amin'ny revolisiona na ady, fa mba hanavotr'aina. Nasim, tanora vehivavy Iraniana avy ao Avaratr'i Kalifornia no mila taova tsokan-taolana (moelle osseuse) atao grefy. Nanafaingana ny hetsika ireo Iraniana malaza marobe mba hanampy amin'ny fanaparitahana ny hafatra ho fanavotana azy. Nampiasa ny tambajotra...

Aostralia: Fonon-tsigara Voalohany Erantany Tsotra Misy Hafatra Mazava – Tsy Misy Mari-Pamantarana

  25 Desambra 2012

Australia’s new plain cigarette packaging law, which began on December 1, 2012, was greeted with pleasure by most onliners. An-kafaliana no nandraisan'ny ankamaroan'ireo mpiserasera ny lalàna vao nivoaka tany Aostralia mikasika ny fonon-tsigara, izay nanomboka ny 1 Desambra 2012. Mandritra izany, ireo Indostria mpanodina sigara dia nihazona mafy fa io fonosana tsy misy loko io dia hampirongatra ny varo-maizina sy ny halatra. .

Mangina Amin'ny Voina ao an-Toerana ny Media ao Shina

  19 Desambra 2012

Ankizy 20 no maty nandritra ny tifitra variraraka tany Connecticut, Etazonia tamin'ny 14 desambra 2012. Tonga dia nahahenika an'i CCTV manerana an'i Shina iray manontolo ny vaovao mampalahelo ary lohateny lehibe tamin'ny gazety tany Shina. Nandritra io andro io ihany dia nisy voina hafa nitranga tao afovoan'i Shina tao: nisy lehilahy iray nanatsatoka...

Ny Perla Avy Amin'ny Media Momba an'i Afrika

  16 Desambra 2012

Nisy ny fanatsotsorana momba an'i Afrika nifandrohy tamin'ny fanentanana #Kony2012 nataon'ilay ONG Invisible Children [Ankizy Tsy Hita]. Nisy fanentanana hafa natao avy eo ho fanitsiana ny kinendry. Efa tsy ampahafantarina intsony [en] ny fanombatombanan'ny fampahalalam-baovao momba an'i Afrika na dia efa nihena dia nihena aza ny fahadisoana tao anatin'ny taona vitsivitsy farany. Tsy mandehandeha fotsiny amin'izao...

Ady Amin'ny Fanondranana Olona Ao Etazonia

  09 Desambra 2012

[Amin'ny teny anglisy avokoa ny rohy rehetra] Noho izy anisan'ny hetsika nasionaly “Miaraka isika Rehetra“, izay najoron'ny National Domestic Workers Alliance (Firaisankinan'ny Mpiasa An-trano Manerana ny Firenena), sy ny Dinika Nasionalin'ny Vehivavy Amerikana Aziatika Pasifika), ary ireo fikambanana maro samihafa, fijoroana vavolombelona marobe natambatambatra no milaza fa mampanohy ny fitsarana an-tendrony ny mpifindra-monina...

Miatrika Fanamby Vaovao Ny Politikam-Pifindra-monina Breziliana

  04 Desambra 2012

Raha efa ela no niadian-kevitra tany Eoropa sy Etazonia ity resaka ity dia vao haingana kosa vao niha-nalaza ny lohahevitra momba ny fifindra-monina mankany Brezila. Efa fantatra ho firenena mpandray vahiny mandra-pahatonga ny fotoana vitsivitsy izay, ny zavamisy vaovao izay niainan'ny firenena tao anatin'ny fotoana vitsivitsy izay no mametraka fanamby...