Tantara mikasika ny Amerika Avaratra tamin'ny Janoary, 2018
Iran: Kabarin'i Ahmadinejad Tao Amin'ny Oniversiten'i Columbia
Nanjary lohahevitra mafana tao amin'ny media manerana izao tontolo izao ny kabarin'ny filoham-pirenena Iraniana, Mahmoud Ahmadineajd tao amin'ny Oniversiten'i Columbia ao New York sy ny teny mafy ary ny tsikera nataon'ny filohan'ny onivesite Lee C. Bollinger nandritra ny fanamarihany tamin'ny Alatsinainy 24 Septambra.
Ny tetikasa Arrorro: Ny Hira Fandrotsirotsiana Zaza Manerana Izao Tontolo Izao
Nanao ezaka mba hitrandrahana, handraketana ary hanangonana ireo hira fandrotsirotsiana manerana izao tontolo izao ilay mpanakanto Gabriela Golder avy any Arzantina, ary niezaka nitady ny mampitovy azy ireo ho an'ny Tetikasa Arrorro.
PangeaDay: Zava-Miseho Iainana Erantany
Tamin'ny Sabotsy 10 May ny Pangea Day, ary nivory ny olona avy amin'ny faritra maro manerana ny tany mba hijery ireo sarimihetsika sy handray anjara amin'ny zava-misy erantany. Tamin'izany, nasehon'ireo sarimihetsika, mpandahateny ary mozika antsika ny sombim-piainana any amin'ny faritra hafa eto amin'ny bolantany, mampivondrona ireo olona avy amin'ny seha-piainana sosialy maro mba hino fa tsy samihafa araka izay inoantsika isika. Nahitàna fifaninanana lahatsary nalaina tamin'any finday ihany koa izany, niaraka tamin'ireo mpandresy avy any amin'ny firenena samihafa.
Etazonia: Teratany Cherokee Miady Ho An'ny Dongontany Masina
Miady amin'ny fanamboarana fototra ho an'ny herinaratra ny teratany Amerikanina Cherokee, lazainy fa manenligenlina ny traikefa ara-panahy ao Kituwah, dongontany masina izay sarobidy toy ny "Tanànareny"
Lahatsary: Lasa Ambasadaoron'Olom-pirenena Ireo Nandresy Tamin'ny Fifaninanan'ny Firenena Mikambana
Manolotra anareo ny horonantsary miisa 5 nandresy tamin'ny fifaninanan'ny Firenena Mikambana izahay izay nahitana ireo mpandray anjara nandefa tao anaty lahatsary ny hafatra tiany holazaina tamin'ireo mpitondra raha toa ka omena alàlana hanao izany izy ireo.
Ny Marina Saro-Dazain'Ilay Mpifindramonina, Mpikatroka ary Mpisolovava Momba ny DACA
Tsy maintsy manana fahahatsapana lalina ho nofitahina ireo misitraka ny DACA. Saingy zavadehibe ihany koa ny itakiantsika mihoatra noho ny fanohizana ny politika izay manome tombontsoa marefo sy vonjimaika.
Goiana: Akon Indray
Nanao ny fanaony indray i Akon - namorona resabe tao Karaiba. Tamin'ity indray mitoraka ity, i Goiana no toerana nosafidiany. ireo blaogera Goiane no nandika an'ity fisafoakan'i Akon ity ho toy ny fampisehoana ny tsy fitiavana mifangaro aman'olona ananan'ilay mpihira
Goadelopy : Kwanzaa, Zava-baovao Amin'ny Fetin'ny Faran'ny Taona
Ankoatra ny fankalazana ny Krismasy nentim-paharazana, namorona zava-baovao, Kwanzaa, vao haingana i Goadelopy, izay manomboka ny 26 Desambra ary mifarana ny 1 Janoary.
Etazonia: Moskea An'i New York Miisa 30 Notsidihana Tao Anatin'ny 30 Andro
Eo am-pamaranana ny dian'izy ireo tamin'ny fitantarana ny fitsidihana ireo "moskea miisa 30 tao anatin'ny 30 andro" ao amin'ny bilaogin'izy ireo mitondra anarana toy izany ihany ny zatovolahy roa tao an-tanàndehiben'i New York , Aman Ali sy Bassam Tariq.
WeMedia: Fomba Iray Hilazana azy Ireo Izay Eritreritrao
Natao tany Miami (26-28 Febroary 2008) ny Fivoriamben'ny WeMedia. Tonga tany an-toerana ihany koa ireo bilaogera ao amin'ny Global Voices ary nanolotra ny fomba fijery mitsikera amin'ny ankapobeny momba ny fampitam-baovao vaovao, tahaka ny nataon'ny ekipanay tamin'ny taona 2006.