Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Fitorahana blaogy mivantana mikasika ny fanehoan-kevitra momba ny fiparitahan'ny antontan-taratasin'ady any Afghanistan

Mihoatra ny 90,000 amin'ireo antontan-taratasy miaramila Amerikana nampirimina mikasika ny ady any Afganistana no niparitaka. Ho andrana, mampiasà Google Wave isika mba hitorahana blaogy eo noho eo mikasika ny fanehoan-kevitra avy amin'ireo blaogy ankapobeny sy ny media  iraisam-pirenena mikasika ireo “bokin'ady” (#warlogs) nasehon'ny Wikileaks, Der Spiegel, New York Times sy The Guardian ho fanta-bahoaka androany.

Ireo mpiara-miasa rehetra ao amin'ny Global Voices dia manana fahafahana miditra ao amin'io fitorahana blaogy eo noho eo io daholo raha te hizara rohy izy ireo. Mamporisika anareo izahay hampiasa Google Chrome na ny Firefox vaovao na koa ny Safari mba hijerena ity pejy ity.

Hita tao amin'ny ReadWriteWeb ireo fanoroana tsotsotra amin'ny fomba fampiasana ny fitorahana blaogy eo noho eo ampiasàna ny Google Wave.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.