Tantara mikasika ny Amerika Avaratra tamin'ny Aogositra, 2010
Etazonia: Miblaogy momba ny fandaharam-pianarana “Asa sy Fitetezam-paritra” ireo mpianatra miteny Rosiana

Isaky ny faharavatra, an'arivony ireo mpianatry ny kolejy avy any Rosia, Ukraine ary ireo firenena hafa Soviety taloha no tonga any Etazonia mba handray anjara amin'ny fandaharam-pianaranan'i Etazonia momba ny Asa sy Fitetezan-tany [EN]. Maro ireo manoratra blaogy momba ireo zava-niainany sy ireo heviny.
Noam Chomsky tany Shina
Tamin'ny 13 Aogositra, nikabary tao amin'ny Anjerimanontolon'i Peking any Beijing i Noam Chomsky. Chomsky, iray amin'ireo olon-tsotra manampahaizana isan'ny misongadina amin'izao vaninandro iainantsika izao, dia malaza amin'ny hafanam-pony ara-politika sy ny fandraisan'anjarany amin'ny fanabeazamboho ny teny sy ny filaozofia. Ny resaka, nampitondraina ny lohateny hoe Ny manodidina ny Drafi-Pandaminana izao Tontolo izao: Fitohizan-draharaha sy Fiovàna (Contours of World Order: Continuities and Changes), dia saiky nirona betsaka tamina olana lehibe roa atrehan'ny zanak'olombelona: ny ady nokleary sy ny fahasimbana/fikorosian'ny tontolo iainana.
Sina: Tantaran'ny “Visa”
Hatraiza fotsiny ny hasarotr'izany, hoy i Chen Zikun mpitoraka blaogy ao amin'ny Sina sady mpanao gazety mahaleo tena ao amin'ny lahatsorany tamin'ny 6 Aogositra, ho an'ireo mpitety tany Sinoa te-haka...
Bangladesh: Mizara ireo heviny momba ireo orinasa Grameen ireo mpitsidika
Amin'ity fahavaratra ity, mpianatra valo sy mpikambana ao amin'ny sampana mianatra ny Fifehezana ny Fitantanam-bahoaka (MPA) ao amin'ny Anjerimanontolon'ny Kentuky Avaratra (NKU) any Kentucky any Etazonia no mamarana fiofanana any Bangladesh ao amin'ny Banky Grameen. Nanao fitsidihana maro tany izy ireo ary mandrakitra ireo zava-niainany any amin'ny blaoginy tsirairay avy amin'ny alalan'ireo lahatsoratra, sary ary horonantsary.
Etazonia: voatana an-tranomaizina ny solontenan'ny Wikileaks

Jacob Appelbaum – Wikipedia Jacob Appelbaum, solontenan'ny Wikileaks, dia notanan'ireo manam-pahefana any Etazonia an-tranomaizina nandritra ny ora 3 tany amin'ny sisintany taorian'ny diany tany Holland. Nosavaina ny kitapon'i Appelbaum, nanaovana...
Frankofonia: Mihatsara tahaka ny divay antitra ny Twitter
Nitamberina somary nalaza kely tanatin'ny ora tsy nampoizina ny hash tag, #jesuisvieux, ao anatin'ny valan-tserasera mpiteny frantsay. Hatramin'ny faha-26 Jolay dia somary nitodika tany amin'ny fahatsiarovana ny mpampiasa twitter, mamoaka...