Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Jolay, 2009

Tantara mikasika ny Amerika Avaratra tamin'ny Jolay, 2009

Mpandresy tamin'ilay fifaninanana horonantsary momba ny Demokrasia

Inona no atao hoe Demokrasia? Izany no fanontaniana nezahan'ireo mpandray anjara maherin'ny 900 novaliana tamin'ny alalan'ny horonantsarin-dry zareo, ho valin'ny Fifaninanana Horonantsary momba ny Demokrasia nokarakarain'ny Departemantan-panjakana Amerikana sy mpiara-miasa maro hafa, misokatra ho an'ny mpandray anjara maneran-tany. Tamin'ny alalan'ny fantsona YouTube-ndry zareo, ny olona dia nandefa ireo horoantsarin-dry zareo...

Irana: Horonantsary amin'ny aterineto mampita hafatra ho an'i Joe Biden

Eo amin'ny Iraniana, Amerikana sy Iranana-Amerikana 100 eo no nandefa hafatra manokana fohy tao amin'ny YouTube mba hanohanana ny hetsiky ny mpanohitra Iraniana izay miantso ny fifidianana filoham-pirenena tamin'ny 12 Jona ho hosoka. Miantso an'i Joe Biden, filoha lefitra Amerikana, sy ny governemanta Amerikana tsy hankatoa ny governemanta Iraniana amin'izao...

Tontolo Arabo: nanao veloma an'i Michael Jackson

Nanao veloma farany ilay mpanjakan'ny pop Michael Jackson ny mpitoraka bilaogy arabo manerana ny tany androany 07 jolay, tahaka ireo mpankafy marobe hafa izay nanaraka mivantana tamin'ny fahitalavitra ny fampisehoana ho fahatsiarovana azy tao amin'ny Staples Center any Los Angeles. Indreto misy fanehoan-kevitra avy any Arabie Saodita sy Koety ary...