· Marsa, 2011

Tantara mikasika ny Amerika Avaratra tamin'ny Marsa, 2011

Hollaback!Fampiasaina finday hisorohana ny herisetra eny an-dalambe

Tranga tsy mbola fahita tany aloha ahafahana mampitsahatra herisetra ara-nofo eny an-dalam-be ny fisian'io "fipoahana teknolojia teo amin'ny finday io". Namporisika ny vehivavy manerana izao tontolo izao mba hampiasa an'ireo fitaovana eo am-pelantanan''izy ireo ireo io tetikasa io mba ahafahan'izy ireo mizara ny tantarany, manao tatitra sy mamaritra ny toerana nitrangan'izany toe-javatra izany.

28 Marsa 2011

Japana: Mamely ny morontsiraka ny tsunami, tsy mamela mahazo

Manaraka ilay horohorontany goavana indrindra teo amin'ny tantaran'ity firenena ity, voakapoky ny tsunami mahery indrindra tany aminy indray i Japana. Miraikitra eo amin'ny Fahitalavitra ny vahoaka eraky ny firenena satria mandeha amin'ny vaovao ilay tsunami mihoatra ny 7 metatra izay mamafa ireo fiara sy ireo tranobe tojo ny zotrany.

12 Marsa 2011

Fahalalahana miteny ve ny famporisihana hamono tena?

GV Mpisolovava

Misy tranga iray mivoatra any Minnesota izay mahatonga ny fanontaniana hoe inona ny fahalalahana miteny. Ilay mpitsabo taloha William Melchert-Dinkel, 48 taona, avy any Faribault dia voapanga niaraka tamina lehibe roa ho namporisika, nanome toro-hevitra na nanampy ny hafa hamono tena. Kanefa nilaza ilay mpahay lalàna misolo vava azy ireo, tao amin'ny aterineto, fa fahalalahana miteny ny toro-hevitra nataon'ny olona soloiny vava.

06 Marsa 2011

Libya: Ny mpikarama an'ady Afrikana (Lahatsary)

ray amin'ny zava-manahirana indrindra ny miresaka azy nandritra ny roa herinandro nanoherana ny Kolonely Muammar Al Gaddafi any Libya izay dia ny fitateram-baovao fisiana lazain'ny mpitondra Libyana "Mpikarama an'ady Afrikana" na "vahiny" - midika hoe avy any Afrika atsimon'i Sahara sady "Mainty" ampiasaina hampijoro ny fitondrany efa mihozongozona. Fa maninona no mametraka endrika mainty amin'ity tantarana mpikarama an'ady ity?

03 Marsa 2011