Tantara mikasika ny Amerika Avaratra tamin'ny Septambra, 2009
Tontolo: Mandefa ny lahatenin'i Gaddafi teo anatrehan'ny Firenena Mikambana amin'ny alalan'ny Tweet
Tamin’ny fanambarany voalohany nanoloana ny fivoriamben’ny Firenena mikambana, ny Filoha Libyanina Muammar Gaddafi dia nanenjika ny fotoana veriny. Ny fandraisany fitenenana dia in’enina amin’ny fotoana nomena hitenenana, nefa ireo mpitondra eran-tany tonga tao nihomehy sy nanoaka fotsiny. Any anaty Twitter, be ny fanehoan-kevitra navoakan'ireo mpampiasa izany momba ilay kabary.
Fifaninanana Horonan-tsary: Solontenan'ny Mponina amin'ny andron'ny faha-64 taonan'ny Firenena Mikambana
Manazava ny mpilalao sarimihetsika George Clooney ny fomba ahafahanao mandray anjara sy hahatafidiranao ho isan'ny 5 mpandresy izay mety ho tsara vintana handray anjara amin'ny andron'ny faha 64 taonan'ny Firenena Mikambana any amin'ny Foiben'ny Firenena Mikambana any amin'ny tanànan'i new York.
Andron'ny boky eran-tany: ny fiainan'ny vehivavy ao anatin'ny fitaratry ny lehilahiny
Ny vehivavy ihany ve no mandoko ny fiainany miaraka na tsia amin'ny fiainana izay omen'ny lehilahiny azy mandritry ny taona ? Manome sary lehibe antsika ireto fitsangatsangana ara-literatiora ireto ary mitondra antsika ho an'ny Quebec, mankany France ary farany any amin'ny mpanoratra mahaliana alzeriana.
Etazonia: Hajian'ny Idy miteraka fankahalana any Tennessee
Andian'ilay hajia taona 2008 , nialoha ny fiakaran'ny vidim- piainana Raha eo am-pankalazana ny Idy al-Fitr, manamarika ny fiafaran'ny volana Ramadany, indrindra ny Miozolomana any Etazonia, dia mivezivezy haingana dia...
Etazonia, Meksika: Mi-tweet avy eny an'habakabaka ilay mpanamory sambondanitra José Hernández
Eo am-piodinana manodidina ny tany izao ilay mpanamory sambondanitra José Hernández ao anatin''ilay iraka ataon'ny sambondanitra ho eny amin'ny Toby an'habakabaka iraisampirenena, ary mi-tweet izy mandritra ity iraka ataony ity..
Etazonia: Fihetsiketsehana manohitra ny fanondranana olona
Olana mbola tsy re tsaika matetika ny fanondranana olona any Etazonia satria afenina amin'ny besinimaro (ny momba) izay niharan'izany. Andevozina ho amin'ny asa an-tsokosoko any anaty toeram-piasana miafina tsy manara-dalàna...
Bangladesh: Misaona ny loholona namana, Edward Kennedy
Senator Edward Moore “Ted” Kennedy (22 febroary 1932 – 25 aogositra 2009), mpikambana faharoa zokiny indrindra ao amin'ny loholona amerikana, dia matin'ny homamiadana ny talata lasa teo. Mitomany ity olo-malazan'ny...