Tantara mikasika ny Amerika Avaratra tamin'ny Desambra, 2018
Ejipta: Nidal Hassan – Mpitsabo Aretin-tsaina sa Marary Saina?
Mpitsabo aretin-tsaina ao amin'ny tafika Amerikana izay teratany Arabo ny Major Nidal Hassan izay nanao ilay fitifirana faobe tao Fort Hood tao Texas, namonoany miaramila 12 ary olontsotra iray. Miatrika fiampangana mikasika vonoolona nokasaina izy ankehitriny. ''Mpitsabo Aretin-tsaina sa Marary Saina?'', hoy ireo blaogera Ejiptiana manontany.
Ejipta: Olo-malaza tsy Mahay Miresaka
Nitatitra tantara roa nifanelanelana andro vitsivitsy i Bikya Masr mikasika ny hadisoan'ny olomalaza sy ny tsy fahaizany miserasera.
Japana: Grumpy Jiisan ao amin'ny Nico Nico Douga
"Grumpy Jiisan", rangahy iray mpisotro ronono avy any Arizona maneho ny heviny momba ny anime Japoney no malaza ao amin'ny Nico Nico Douga, sampana iray fizarana lahatsary malaza be ao Japana, tato ho ato. Tena malaza be ao ireo lahatsarin'i Grumpy Jiisan hany ka nahangona fanehoankevitra an'arivony.
Vehivavin'i Oaxaca mianatra ny fahaizana fototry ny sary hanoritan-joro indray ny fiainany
Nandritra ny faran'ny herinandro tamin'ny Novambra 2018 ny tanora zazavavy miisa 25 avy ao Oaxaca no nianata ny teknikan'ny saripika avy amin'ny mpampiofan'ny Mozean'ny Zavakanto ara-saripika.
Israely: Tsy nanaiky hamoaka dokambarotra manasongadina ny fitarihan'ny vehivavy Israeliana ny Ms. Magazine
Tamin'ny fihetsika mahagaga tamin'ny herinandro lasa, tsy nanaiky ny dokam-barotra nanasongadina ny fitarihan'ny vehivavy Isiraeliana amin'ny fanompoam-bahoaka ny Ms. Magazine.
Lahatsary: Mankalaza ny firodanan'ny rindrin'i Berlin izao tontolo izao
Androany ny fankalazana ny faha 20 taonan'ny firodanan'ny Rindrin'i Berlinthe, rafitra fiarovana izay nanasaraka an'i Berlin Atsinanana sy Andrefana any Alemaina. Androany isika dia mampiseho ny sasany amin'ireo lahatsary manerana izao tontolo izao izay nakarina ho fankalazana ity daty ity.