Tantara mikasika ny Amerika Avaratra tamin'ny Desambra, 2011
Tohano Ny Global Voices
Taona mahatalanjona ny taona 2011 ho an'ny fampahalalam-baovao an-tserasera. Teo foana ny Global Voices nitatitra ireo revolisiona niseho, ny fihonganan'ny didy jadona, sy ny fiantraikan'ny fikorontanana nateraky ny fihetsiketseham-bahoaka mbamin'ny...
Tontolo Arabo Mamaly An'i Gingrich: “Raha Vahoaka Noforomporonina Fotsiny Ny Palestiniana, Ny Amerikana Izany …”
Vahoaka "noforomporonina" ny Palestiniana, izay te-hamotika an'i Israely, hoy ny mpirotsaka ho fidiana ho filoham-pirenena Amerikana Newt Gingrich. Ny fanamarihany, tao anaty tafatafa niarahana tamin'ny fantsom-pahitalavitra Jiosy, dia niteraka hatezerana sy rikoriko teo amin'ireo mpiondana aterineto manerana ny tontolo Arabo.
Ho An'ireo Shinoa Mpiondana Aterineto, ny SOPA Dia Rindrimbe Iray Hafa Indray

Niteraka fanehoan-kevitra feno fanalàna azy teo amin'ny tontolon'ny aterineto miteny Shinoa ny momba ny lalàna Stop Online Piracy Act (SOPA), na Fandraràna ny Fijirihana ao amin'ny Aterineto izay andrasana ho entina hofidiana eo amin'ny Antenimiera Amerikana alohan'ny faran'ny taona. Voakinan'ny Amerikana foana ny governemanta Shinoa tamin'ny fanelingelenana ny fivezivezen'ny vaovao tamin'ny alàlan'ny rafitra iray fanivànana fanta-bahoaka amin'ny hoe ilay Rindrimbe, na Great Firewall. Anjaran'ny Shinoa mpiondana aterineto indray izao ny mihomehy amin'ny tolo-dalàna momba ny Great Firewall Vita Amerikana.
Porto Riko: Nasehon'ny Bilaogera fa Namboamboarina Ilay Dokambarotra
Nisy dokambarotra iray nahitana ilay mpihira sy mpilalao sarimihetsika Porto Rikana Jennifer López mitondra Fiat 50 cc manerana ny lalan'i Bronx, New York, toerana nahitany masoandro sy nahalehibe azy. Milaza momba ny fiaviany...