Filipina: Fanavakavahana mihatra amin'ireo Filipiana any amin'ny Tobim-pitsaboan'i Baltimore

Mpiasa Filipiana efatra ao amin'ny Bon Secours Baltimore Health System any an-tanànan'i Baltimore no voaroaka tamin'ny asany tsy ela akory izay, noho ny fampiasàna ny teny Filipiana nandritra ny ora fisakafoanana. Mizara ny heviny momba io olana io ireo mpitoraka blaogy.

I angry asian man dia mino fa tsy rariny ny lalànan'ny hopitaly amin'ny fampiasàna tokana ny teny Anglisy.

Takatro tsara ny lalàna toy izao amina trangana fikorontanan-tsaina, izay azo antoka fa misy olana ara-pifandraisana. Nefa toa malalaka loatra ny lalànan'ny Bon Secours, tsy misy torolàlana mazava apetraka marina na tanterahana tsy arahan'olana. Hay ianao raha manonona teny tsy Anglisy mandritra ny fotoana fisakafoanana dia voaroaka? Tsotra izao?

Ireo mpiasa ireo dia tsy nampitandremina ara-dalàna akory na nomena antontan-taratasy momba ireo fandikàn-dalàna voalaza. Inona no nolazain'izy ireo? Inona no antony? Tsy misy mahafantatra. Ny Komisionan'ny  Lovan'ny Mpifindramonina mitoetra any Virginia dia nametraka fitoriana tamin'ny Komisiona Amerikana miandraikitra ny Fampiasàna Mitovy zo, amin'ny anaran'ireo mpitsabo mpanampy voaroaka.

Adarna's Attic dia mandray ny famintinana ny fehintenin'ireo mpiasa Filipiana efatra ho fandikàna ireo Lalàna momba ny Zon'ny Olom-pirenena tamin'ny  1964, “lalàna federaly Amerikana izay miaro ny isam-batan'olona amin'ny fanavakavahana mifototra amin'ny volon-koditra, fiaviana na fari-piainana sosialy.”

Ny Blog of Life an'i Jose Manuel dia manambara fa ny fandroahana dia “natao nandritra ny fotoana” lazaina ho tsy fahampian'ny mpitsabo mpanampy.'”

Raha tena toy ny  entana vitsy sy arovana ireny mpitsabo mpanampy ireny, nahoana no roahana haingana toy izany? Mampanontany tena hoe nahoana ireo  vao avy nahazo mari-pahaizana ho mpitsabo mpanampy no sahirana amin'ny fitadiavana asa. Ny vadin'ny “cousin” iray dia nanana anton'asa fitadiavana mpitsabo mpanampy tany  Filipina, nefa nakatony izany satria tsy nila ny fanampiany intsony ireo hopitaly. Mety hoe ireo indostria misahana fahasalamana dia miezaka ny mampitombo ny isan'ireo mpitsabo mpanampy mba hitazonana ny karaman'ireo mpitsabo mpanampy ho ambany. Raha izany no izy, vaovao ratsy ho an'ireo mpitsabo mpanampy voaroaka izany .

Mandritra izany, i Sarah Katrina Maramag dia maka fomba fijery mora takarina amin'ny tranga mahazo ireo mpitsabo mpanampy Filipiana any ampitan-dranomasina ary mampifandray izany amin'ny tsy fitsaharanan'ny fifindra-monin'ireo manam-pahaizana Filipiana miala ao Filipina.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.