· Janoary, 2019

Tantara mikasika ny Amerika Avaratra tamin'ny Janoary, 2019

Mamelona indray ny fiteny Inuktitut ao amin'ny media sosialy

Rising Voices  14 Janoary 2019

Niditra media sosialy ny Fikambanana Qikiqtani Inuit (QIA) mba handrisika ny fampiasana bebe kokoa ny Inuktitut, fiteny Inuit. Miorina ao amin'ny faritr'i Qikiqtani (Baffin) ao Nunavut, faritany tanora indrindra ao Canada, miasa mba "hiaro, hitantana sy hampandrosoana ny zo sy tombontsoan'ny Qikiqtani Inuit" ny fikambanana .

Etazonia : Fanehoankevitry ny tontolon'ny Twitter tamin'ny lahatsoratra iray nosoratan'i Nicholas Kristof momba ny finoana Silamo tao anatin'ny New York Times

Niteraka onjam-panehoana hevitra tao amin'ny tontolon'ny Twitter androany ny matoandahatsoratra nosoratan'i Nicholas Kristof. mpanao gazety ao amin'ny New York Times Ao anatin'io tsanganan-dahatsoratra io no ametrahany fanontaniana raha toa ka antony maha-"hondrankondrafana" ny ao Afovoany Atsinanana sy Afrika Avaratra ny finoana Silamo. Nanehoan'ny mpamaky hevitra ny nisafidianana io teny io ho entina mamaritra io faritra io.