Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Desambra, 2008

Tantara mikasika ny Amerika Avaratra tamin'ny Desambra, 2008

Miresaka momba ny Gaza ny tontolon'ny Twitter @ ankapobeny

Fomba fitorahana bolongana vaovao (na famahanam-bolongana vaovao) ny Twitter , na mizotra izao ny tantara. Tsy misy mampivandravandra azy ankoatra ny amin’ny fotoanan’ny krizy: nandritra ny fanafihana tany Mumbai, mila ho isa-minitra ny mpampiasa ny Twiter no mamatsy vaovao, ary ankehitriny, satria mitohy ny fandarohana avy eny an-habakabaka Isiraelianina an’ny Gaza dia...

Isiraely: “hamelabela-kevitra” @ Twitter ny Masoivohony any Etazonia

Notaterin'ny orinasan-dokambarotra any Boston (USA), HubSpot, tamin'ny herinandro teo, fa mahazo mpampiasa famahanam-bolongana vaovao 5 000 ka hatramin'ny 10 000 isan'nadro ny Twitter. Tsy atao mahagaga loatra izany fitomboan'isa haingana izany satria natao hiadian-kevitra amina toe-javatra lehibe sahala amin'ny nitranga tany Bombay sy Gaza indrindra ny Twitter. Efa miditra amin'ny...

Jamaika, Kiobà, Etazonia: Kiraro iray eny an-tanana

Palestina: Saribakoly Mpampihorohoro

"Inona ny kilalao mety hahafinaritra ny zanakao indrindra amin'ity taona ity noho ny kilalalo mitovy amin'ny mpampihorohoro Al-Qaeda?" hoy ny mpamaham-bolongana palestiniana Amerikana Nawal avy amin'ny Bloggin ' Banat. Notsehan'i Maya ny tantaran'ity saribakoly, novolavolaina araka ny fanaon'ny Lego, ary niteny hoe nahoana moa no tsy ho tonga eny ampelatanantsika...

Bangladesh, India: Sary momba ny fiainan'olona serôpôzitifa

Mpanao gazety mpaka sary malaza Bengali Shahidul Alam no manao tamberina ny asan'i Dayanita Singh, mpaka sary Karana iray efa nadrombaka ny amboara tamin'ny fakana sary. Maneho ny “Fiainana serôpôzitifa” mitondra ny tsimok'aretina VIH na “Positive Lives”, fampirantiana ny setriny ataon'ny olona momba ny VIH/SIDA moa izany tamberina izany.

Ezypta: Nandà ny hihaona amin'ny filoha Bush i Wael Abbas

Mpamaham-bolongana Ezypsiana iray antsoina hoe Wael Abbas no nilaza tao amin'ny bolongany fa nolaviny ny fanasana hihaonana amin'ny (filoha Amerikana George Herbert Walker) Bush. Nandika ny lahatsorany avy amin'ny teny arabo i Marwa Rakha.

Ezypta: Boky amerikana

Ny mamaham-bolongana Ezypsiana Asmaa Yasser - Maraina - eto no manoratra ny zavatra niainany tao amin'ny famakiam-bokin'i Mubarak ho an'ny daholobe. Mandika ny lahatsoratra avy amin'ny teny Arabo kosa i Tarek Amr.