Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Oktobra, 2019

Tantara mikasika ny Amerika Avaratra tamin'ny Oktobra, 2019

Nandrara ilay mpilalao e-sport ao Hong Kong tsy hanao fifaninanana noho ny hiaka nataony momba ny teny filamatra manohana ny demokrasia ny orinasa Amerikana Blizzard mpamokatra lalao

Ho esorina amin'ny fifaninanana ilay mpilalao e-sport sady tsy omena loka lelavola ary voarara tsy hifaninana amin'ny Hearthstone hatramin'ny taona 2020. Manana ampaham-bola 5% ao amin'ny Blizzard ny orinasan'ny teknolojia Shinoa goavana Tencent.

‘Ny anay koa vola aloha vao fahafahana': Esoesoin'ireo mpamorona ny South Park ny NBA

Sioka tokana monja momba ny fihetsiketsehana ao Hong Kong dia mety hiteraka adin-teny eo amin'i Shina sy i Etazonia ary hamarana ny vinavinam-barotry ny NBA ao amin'ny tanibe Shina .

Ahitana ny vanim-potoanan'ny fibodoana an'i Japana sy ny tantaran'ny fanagadrana ny Japoney-Amerikana ity angon-tsary an-tserasera ity

Ahitana sary miisa 250 mahery tamin'ny vanim-potoana taorian'ny ady tany Japana ny Angon-tsarim-pianakaviana Theodore Akimoto.

Ny ady ao Afovoany Atsinanana sy ny valinteny mizarazaran'ireo blaogera indoneziàna

Amin'ny famerina ny lohatenin'ireo media iraisam-pirenena mikasika ireo fifandirana misy ankehitriny ifanaovan'i Israely ary i Libanona, sy eo amin'i Israely sy Palestina, lahatsoratra miresaka lohahevitra mitovitovy amin'izany no avoakan'ireo Indoneziana blaogera arahany amin'ireo fanehoankevitra sy valinteny isan-karazany; ireo mpomba sy ireo mpanohitra, ny fanohanana sy ny fanamelohan'ny lafiny roa.