Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Desambra, 2013

Tantara mikasika ny Amerika Avaratra tamin'ny Desambra, 2013

Niala Tsiny i Etazonia Manoloana Ny Fisamborana Sy Fisavàna Nanaboridanana Ilay Diplomaty Indiana Devyani Khobragade

Araka ny voatatitra dia naneho alahelo tamin'ny fomba nanaovana ny fisamborana an'i Devyani Khobragade, ny Sekreeram-panjakana John Kerry tanatinà antso an-tariby ho an'ny mpanolotsainan'ny Fiarovam-pirenena ao India, Shiv Shankar Menon.

“Tour Builder”, tolotra hafa an'ny Google tsy azo ampiasaina any Kiobà

Manamafy i Google fa ny fanapahankeviny dia mifototra amin'ny fandraràna ara-toekarena ataon'i Etazonia amin'i Kiobà.

SARIPIKA: Fanoherana Ny Fanodikodinana Ny Hevi-Bahoaka Tamin'ny Fifidianana Filoham-Pirenena Koreana Tatsimo Natao Tao New York, Paris, London

Nanatontosa fiaretan-tory tao New York, Paris, London ary Berlin ny Koreana Tatsimo monina ampitan-dranomasina nandritra ny faran'ity herinandro ity, nanameloka ny fanodikodinana ny hevi-bahoaka nataon'ny sampan-draharaham-panjakana Koreana Tatsimo nandritra ny fifidianana filoham-pirenena farany.

Manakana Fihetsiketsehana Any Etazonia Ry ‘Dadabe Daban-Dasantsy’ Avy Any Korea Atsimo

Manohitra ny fihetsiketsehana tontosaina any Etazonia ho fanoherana ilay raharahan'ny sampam-pitsikilovana nanamboamboatra ny fifidianana ry 'Dadabe daban-dasantsy' mahery setra avy amin'ny elatra farany havanana.

Nalaza Haingana Ny Fifandraisan-Tanan'i Barack Obama sy Raúl Castro Tao Amin'ny Lanonam-Pahatsiarovana An'i Mandela

Niley sahala amin'ny afo ny fanehoan-kevitra avy amin'ny fifandraisan-tanana tao amin'ny tambajotra an-tserasera.

Nahazo Hatramin'ny $100.347 Hampafana Kokoa An'i Syria Mampalahelo Anaty Ririnina

Nihoatra ny $100,000 ny vola voaangona tamin'ny fanentanana virtoaly “Manarata volombava, Ataovy Mafana Ny Zaza Syriana Iray”. Jereo ato ahoana ny fomba hamonjenao ny zaza Syriana amin'ity ririnina ity.