Tantara mikasika ny Amerika Avaratra tamin'ny Septambra, 2011
Etazonia: “Fehezo i Wall Street” Foibe Ara-bolan'i New York
Tao amin'ny distrikan'ny vola ao New York, nikarakara fihetsiketsehana milamina ny vondrona Fehezo i Wall Street (#occupywallstreet tao amin'ny Twitter), notohanan'ny fikambanana Kanadiana AdBusters sy ny mpisovoka antserasera Anonymous izany hetsika izany. Aingam-panahy...
Etazonia: Mivondrona Hampandroso ny Literatiora Latino-Amerikana ny Fivarotamboky Nomerika sy Andavanandro
La Casa Azul - fivarotam-boky an-tserasera izay tantanin'i Aurora Anaya-Cerda - no vao nilaza fa hiasa miaraka amin'ny fivarotam-boky vaovao miorina ao Washington Heights, New York. Manana tanjona roa ny Word Up (@wordupbooks): Mampiely ny literatiora Latina Amerikana sy fivarotam-boky mahaleotena.
Shina : Miaraka Fiverenan'ny Fahalinan'i Amerika
Tsy ny olon-drehetra no nàka iny faran'ny herinandro – fialantsasatra any Shina – ho toy ny fotoana iray ahafahana mamoaka fihetseham-pon’ny henatra tamin’izay nambarany mikasika ny fanafihana tany Etazonia efa ho folo taona lasa izay, kanefa betsaka no nanao izany. I Yang Hengjun, mpanoratra, izay nanoratra momba an'i New York sy ny USA (Etazonia) tao anaty tantara nosoratany dia nizara zavatra mitovy amin'izay koa.
Izao Tontolo Izao: Misaona tamin'ny nampiharana ny didy famonoana an'i Troy Davis
Na dia nahazo fampiatoana aza i Troy Davis androany maraina [alarobia], efatra ora monja taorian'ny tatitra nataonay dia novonoina i Davis. Mizara ny heviny ny mpisiokantsera manerantany
Tontolo Arabo: Mahatsiaro ny 11 Septambra
Nanome voninahitra ireo namoy ny ainy 3000 tamin'ny 11 septembra ny Mpisiokantserasera manerana ny tontolo Arabo, mahatsiahy ny zava-niseho mahatsiravina nataon'ny mpampihorohoro Al Qaeda izay nandefa fiaramanidina mpitondra olona 4 handona ny tranobe tao Etazonia izao tontolo izao folo taona lasa izay. (tohizo)
Etazonia : Ny Eritreritry ny Latinos Folo Taona taty aorian'ny 9/11
Ity taona ity no fahafolo taona ny fanafihana tany New-York sy Washington, fanafihana izay nampiova ny fandehan'ny tantara. Ny fampitam-baovao Latinos dia mampahatsiahy ireo tra-doza sy ny zava-nitranga, fa ny tontolom-bolongana latino-amerikana kosa dia ny momba ny fitantarana miverimberina ny "fikasan-dratsy" (na "conspirations") no mibahan-toerana.
Tsiahy 9/11 : Fahaterahana Taranaka Vaovao
Niserana ny folo taona taorian'ny fanafihana voarindra nataon'ny al-Qaeda tamin'i Etazonia ny 9/11 ;voaresak'ireo tanora avy amin'ny lafy valon'izao tontolo izao navoaka tamin'ny alalan'ny andiana lahatsary fohy mamakafaka ny vanim-potoana manaraka ny 9/11 izany