· Oktobra, 2012

Tantara mikasika ny Amerika Avaratra tamin'ny Oktobra, 2012

Etazonia: Tsy Noresahana Nandritra ny Adihevitra Momba Fifidianana Filoham-pirenena Fahatelo sady Farany i Amerika Latina

  28 Oktobra 2012

*Raha hanaraka ny fitantarana teo aloha mikasika ny adihevitra momba ny fifidianana filoham-pirenena Amerikana, tsindrio eto sy eto [es]. Lynn University ao Boca Raton, Florida no nandray ny adihevitra fahetelo sady farany momba ny fifidianana filoham-pirenena Amerikana eo amin'ny filoha Barack Obama sy ny Governoran'i Massachusetts teo aloha, Mitt Romney. Araka ny efa nampoizina, nifantoka momba ny politika...

Tontolo Arabo: Mitovy i Obama sy Romney Mikasika An'i Syria

Nanana teny masiaka hozaraina ny mpiserasera Arabo rehefa avy niandry hatramin'ny vao maraimbe mba haneho hevitra mikasika ny adihevitra momba ny fifidianana filoham-pirenena Amerikana teo amin'ny filoha Obama sy ilay Repoblikana be fanantenana Mitt Romney alohan'ny fifidianana amin'ny Novambra izao. Tao amin'ny Twitter, nitsikera ny politika Amerikana momba an'i Syria...

Etazonia: Tolona ho An'ny Tanora Mpifindra-monina Tsy Manana Taratasy

  19 Oktobra 2012

Tanora mpifindra-monina tsy manan-taratasy an'hetsiny no faly tamin'ny vaovao nivoaka: Nanome alalana ny governemantan'ny filoha Barack Obama fa afaka  misoratra anarana amin'ny “tetikasa mbola miandry” ireo tanora mpifindra-monina tsy mana-taratasy, izay ahafahan'izy ireo mamaha ny olany ao anatin'ny roa taona. Ireto avy no fepetra takiana amin'ilay tetikasa [es]: 31 taona mahery nanomboka...

Hetsika Kapoka Vilany Manerantany Kasaina Atao Ny 13 Oktobra

  12 Oktobra 2012

Antenaina hampangorintsina ny sofina mora mahare ny andro hikapokapohana vilany (lapoaly) hotontosaina manerantany amin'ny 13 Oktobra 2012. Ny fanentanana Global Noise [Tabataba Manerantany] dia karakarain'ireo fikambanana iraisampirenena ao amin'ny Occupy [Bodoy], Indignados, #YoSoy132, ary ireo hetsika mpandala ny rariny ara-tsosialy hafa ary sehatry ny mpikatroka avy amin'ny firenen-tsamihafa. Hotontosaina herintaona taorian'ny...

Tontolo Arabo: Voatsikera ny Fandaharan'asan'i Romney Momba an'i Afovoany Atsinanana

Notsikerain'ny mpiserasera manerana ny tontolo Arabo ny kabarin'i Mitt Romney momba ny politika ivelany . Mitohy hatrany ny fanontaniana ao amin'ny Twitter mikasika ny politika ivelan'i Etazonia ao Afovoany Atsinanana, araka ny nambaran'i Romney [kandidà Repoblikana amin'ny fifidianana filoham-pirenena hoavy izao] tao amin'ny Ivon-toerana Miaramila ao Virginia: Raha lany izy, dia vonona...

Etazonia : Ny Làlana Lavitr'ezaka Mankany Amin'ny Fandriampahalemana Araka An'i Aung San Suu Kyi

  10 Oktobra 2012

Aung San Suu Kyi [fr], endrika malazan'ny fanoherana Birmana sady nahazo ny loka Nobel ho an'ny Fandriampahalemana, dia nahazo ny loka Vaclav Havel avy amin'ny Human Rights Foundation, ho fankasitrahana fisintahana iray miharo famoronana, ao anatin'ny sehatry ny Freedom Forum tao San Francisco. Ny fandraisany anjara tamin'ilay vovonambe dia tafiditra ao anatin'ny fandaharanasa fitsidihana mandritra ny 15 andro eo ho eo any Etazonia izay nitondra azy hatrany amin'ny Trano Fotsy sy nanolorana azy ny Medalim-boninahitry ny Kaongresy.