· Aogositra, 2018

Tantara mikasika ny Amerika Avaratra tamin'ny Aogositra, 2018

Ejypta: Lahatsarim-pifidianana, Fanapahana ny fanampiana Amerikana ary Bilaogy vaovao avy amin'ilay talen'ny sarimihetsika mana-talenta

Amin'ny fitsidihana avy ao Ejypta amin'ity herinandro ity, manoratra momba ny olana ao an-toerana ary koa ny fifandraisan'i Ejypta sy Etazonia ireo bilaogera ary mampahafantatra anareo koa momba ireo bilaogy vaovao mahaliana mikasika ny sarimihetsika, sary sy ny tanora liberaly aho.

24 Aogositra 2018

Charles Taylor: Satria mandeha ny tantara

''Tamin'ny Aogisitra 2003, nentina tamin'ny Boeing 727 fiaramanidin'ny filoham-pirenena Nizeriana i Charles Taylor, Liberiana mpitondra taloha, avy tao Monrovia nankany Abuja. Vao nahazo fialofana tany Nizerià tao anatin'ilay fifanarahana teo ambany fiahian'ny Firaisambe Afrikana, ny Firenena Mikambana (ONU) sy Etazonia i Taylor, izay natao mba hanajanonana ny ady an-trano tao Liberia. ''

16 Aogositra 2018

Fanentanana Revolisionera ao amin'ny WSF

Miloa-bava amin'ny tsikera fanatsarana amin'ny sehatry ny fikarakarana ireo bilaogera nanatrika ny Forum Sosialy Manerantany (WSF). Noresahin'ireo bilaogera bebe kokoa ny lohahevitra mifandraika amin'ny olan'ny fitaterana, ny tobin'ny tanora, ary ny torohay.

15 Aogositra 2018

Tambajotram-blaogy vaovao : Izao tontolo izao araka ny fiheveran'i neny

Niaraka niasa tamin'ilay kanadiana Catherine Connors, antsoina koa hoe Her Bad Mother izahay mba hanontaniana ireo reny mpitoraka blaogy mikasika ilay lohahevitra ary hankahery azy ireo hamorona tambajotran-tserasera eo anivon'izy ireo. Hatreto aloha, blaogera 85 avy amin'ny firenena 26 no namaly anay, fa mbola mitady betsaka kokoa noho izany izahay.

06 Aogositra 2018