Tantara mikasika ny Amerika Avaratra tamin'ny Mey, 2012
Aostralia: Fitarainana Hafahafa Avy Amin'ny Mpitrandraka Harena An-kibon'ny Tany Momba Ny Tsikombakomban'ny CIA – Resaka Arintany
Tamin'ny fomba "hafahafa" mitroatroatra no nahatafiditra an'i Clive Palmer, mpitrandraka harena an-kibon'ny tany, ho ao anatin'ny laharan'ireo mpisaina ny firaisana tsikombakomban'ny CIA tamin'ity herinandro ity nandritry ny fampielezan-kevitra ho amin'ny fifidianana tao amin'ny fanjakan'i Queensland. Nifaly aok'izany ireo bilaogera Aostraliana tamin'ny fiampangàny ny famatsian'ny CIA vola ny kandidàn'ny Green sy ny fikambanana toy ny Greenpeace.
Lahatsary: Misokatra Ny Latsabato Ho An'ny Adobe Youth Voices Aspire Awards
Mampiseho ny asany avy amin'ny alalan'ny Adobe Youth Voices Aspire Awards ireo tanora tsy ampy fivelomana mianatra ireo fitaovan'ny multimedia. Ao anatin'io fifaninanana io ny lahatsary fanadihaiana, rakikira an-tsary, tononkalo, raki-peo, fanomezana endrika, fitantàrana, sarimiaina ary saripika.
Norvezy: Ireo Resaka Momba An'i Amerika Latina Ao Amin'ny Oslo Freedom Forum
Ny herinandro lasa teo no notontosain'ny Human Right Foundation tao an-drenivohitra norveziana ny Oslo Freedom Forum. Ny teny filamatra “Avy amin'ny aizina mankamin'ny mazava,” avondron'ny forum ny endrika fanta-daza manerantany...
Global Voices Podcast: Sakafon-tsaina, Sakafo Hohanina
Ato anatin'ity andiany ity isika dia hitrandraka ireo asa sy hetsika farany indrindra teo anivon'ny vondrom-piarahamonin'ny Global Voices. Miresaka ihany koa isika amin'ireo namana sasany, mikasika ireo singan-kolontsaina ifanakalozana eo amin'ny fiainantsika, ka hafantoka manokana amin'ny resaka sakafo : na izany sakafon-tsaina, na hohahina!
Laahatsarin'ny Voalohan'ny May: Diabe, Fanehoan-kery Sy Hetsi-panoherana Nanerana Ny Tany
Manerana tanana maro eran'izao tontolo izao, nidina an-dalambe ny olona mba hanao diabe sy hankalaza ny Andro Erantany ho an'ny Mpiasa. Lahatsary avy amin'ny The Real News no hitondra antsika hitety ny fahitàna izany andro izany nanerana izao tontolo izao.
Etazonia: Miverina Indray Occupy Wall Street Na Bodoy Wall Street
Maro ny olona no mifanontany amin'ny ho avin'ny Occupy Wall Street na Bodoy Wall Street taorian'ny nanesorana an-dry zareo tao amin'ny Zuccotti Park sy ny faharatsian'ny andro tsy ahafahan'ny mpibodo hilasy eny ivelany tamin'ny ririnina teo.
Lahatsary: Mifampizara Ny Fiainany Ny Reny Manerantany
Hita ao amin'ny fampirantiana an'aterineton'ny Mozea iraisampirenena Momba ny vehivavy avokoa ny momba ny reny rehetra. Nampahafantatra ireo karaza-pijery momba ny reny tamin'ny alalan'ny fanadihadiana an-dahatsary natao tamin'ny vehivavy avy ao...