Voatsikera ny #DonkeySpeech [Kabarin'Ampondran'i] Assad

Nahazo tebaka avy amin'ny mpiserasera manerana izao tontolo izao ny kabary farany nataon'i Bashar Al Assad, raha nandray 21 volana ny fitroarana tao Syria. Maro ihany koa ny kivy fa tsy misy na inona na inona natao hanamaivanan-danja ny fahorian'ny Syriana. Manodidina ny 60.000 ny isan'ny olona voatatitra ho maty, vitsy ny sakafo sy ny solika ary an'arivoarivony ny tsy manam-pialofana, na voatery nifindra monina ao anatin'ny firenena ihany noho ny krizy na miaina anaty tobin'ny mpifindra monina any amin'ny firenena manodidina.

Maro ireo naneho ny heviny, tao amin'ny Twitter niaraka tamin'ny tenifahatra mampivanitika hoe #DonkeySpeech, nandritra ny fotoana nikabariany.

Nananihany ilay Saodiana Ahmed bin Rashid bin Saeed:

@LoveLiberty: #DonkeySpeech I disagree with this hashtag. I believe it violates the rights of this peaceful and obedient animal, adding to it's misery

A sign in Damascus

Marika iray ao Yabroud, zana-bohitr'i Damaskosy: “Tsy raharahako na manohana na manohitra an'i Assad ianao. Hajao ny tenanao amin'ny fanajanao ahy.” Saripika nozarain'i @Basma_ hita Twitter

 

#DonkeySpeech tsy ekeko io tenifahatra io. Mino aho fa manitsakitsaka ny zon'io biby milamina sy manoa io izany, ankoatra ny fahoriana mahazo azy.

Raha namarana ny kabariny i Assad, nanoratra i Abdullah:

@SyrianSmurf: That scene towards the end of Animal Farm when the Pigs are speaking and the sheep clap comes to mind… #DonkeySpeech

Tafaverina ao an-tsaiko ilay sehatra manakaiky ny farany ao amin'ny Toeram-piompiana izay miteny ny kisoa ary mitehaka ny ondry…

Nanampy i The 47th:

@THE_47th: As he finished his speech, the sheep around him all chanted in one voice: “Shabbeeha [thugs], forever.. Just for you.. Al Assad” #DonkeySpeech

Rehefa namarana ny kabariny izy, niara-nihiaka tamin'ny feo iray ny ondry manodidina azy hoe: “Shabbeeha [jiolahimboto], mandrakizay… Aminao ihany.. Al Assad”

Ary nanamarika i Bedouinocracy:

@Bedouinocracy: This speech alone is enough reason for revolution.

Iny kabary iny ihany dia ampy hanaovana revolisiona

Araka an'i @RevolutionSyria, tsy dia betsaka ny natao hanamaivanana ny fahorian'ny Syriana.

@RevolutionSyria: U.S. dismisses latest overture from #Syria’s Assad, while Assad continues to dismiss the whole world for just talking & doing nothing!!!

Notsipahan'i Etazonia ny fisokafana nataon'i Assad-n'i Syria farany, raha mbola mitsipaka ny tany manontolo i Assad amin'ny firesahana fotsiny tsy manao na inona na inona!!!

 

Mizara fihetseham-po mitovy amin'izany i The 47th. Namaly ny fanehoan-kevitry ny masoivohon'i Etazonia ao amin'ny Firenena Mikambana Susan Rice tamin'ny kabary toy izao izy:

@THE_47th: So was your administration's policy Re: Syria RT : Assad's speech today was delusional & utterly meaningless.

Izay izany ny politikam-panjakanareo RE: Syria @AmbassadorRice: Rediredy sy tsy misy dikany mihitsy ny kabarin'i Assad androany.

Raha iverenana ny amin'i Assad, nanamarika tamim-panesoana tahaka izao i Karl Sharro:

@KarlreMarks: The presidency has a sentimental value for Bashar al-Assad, it was left to him by his father. That's why he won't give it up easily. #Syria

Manan-danja ara-pihetsehampo ho an'i Bashar al-Assad ny prezidansa, navelan'ny rainy ho azy io. Izany no antony tsy hanekeny ho resy moramora. #Syria

Ary namehy ny mpanao gazety Dan Murphy:

@bungdan: I have little doubt that Assad believes what he says he believes. The bubble these folks live in is powerful. L'etat et moi.

Manam-pisalasalana kely ihany aho raha mino izay lazainy fa inoany i Assad. Matanjaka be ny tavoara iainan'ireo olona ireo. L'etat et moi [Ny fanjakana sy izaho].

Nangonin'i Dalia Ezzat tamin'ny Storify ato ny nisongadina tamin'ny kabariny ary mizara ny fihetseham-po tamin'ny kabary avy amin'ny mpisera maromaro kokoa ato i Trad Ruslan.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.